Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Maro ny SEG nisolelaka sy nanao politika fa aiza izao ?”


  • Zoma 14 Janoary 2022

Niteraka adihevitra goavana ny fanehoan-kevitry ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) Jeneraly Gellé Serge izay toa miantefa amin’ny mpanohitra amin’ny hetsika politika samihafa mety hitranga.

 Maro no maneho fa tafajoboka any anaty politika ny SEG. “SEG a ! Naninona no niova “language” tampoka teo? Fitahian'Andriamanitra ny nahavelona anao tamin'iny “crash”n’ny angidim-by iny. Efa nisy ministra sy SEG nisolelaka sy nandika lalàmpanorenana, nanao politika sy tsy nanaja ny « neutralité politique de l'administration et des forces armées » teo an ! Fa aiza zareo izao? Mandalo io fahefana io anie”, hoy Depiote TIM Hanitra Razafimanantsoa tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Raha hiverenana moa dia naneho ny SEG fa “Ity 2022 ity sy ny 2023 manaraka eo dia tokony hilamina isika. Mbola ho avy ny fanambarana izay hataonay telo mirahalahy, fa atsidiko sahady fa lalàna io, ny didim-pitondrana 63/253 tamin’ny 09 may 1963 izay mamaritra ny fiarovana ny olombelona sy ny fananany. Na iza na iza, na zovy na zovy tsy mamela ny rafitra demokratika hiasa, dia sokajiana ho toy ny favalom-pirenena. Mety misy fotoana fandeferana, misy fananarana, fa misy fotoana ny zava-drehetra. Izaho manokana no miteny izao, tsy misy korontana izany intsony, ary tsy hisy hanaiky an’izany fa avelao hiasa ny fitondram-panjakana, an’ny rehetra io fitondrana na ny nifidy azy na ny tsy nifidy azy, dia miandry “tour”, hokorontaninao foana dia tsy hahavita ny asany dia avy eo omenao tsiny. Hialao ny fitenenana rehefa tsy anao ny fitenenana hoe: herim-pmoretana ny mpitandro ny filaminana rehefa tsy eo amin’ny fitondrana ianao, fa izahay dia izahay foana”, hoy ity jeneraly izay vao niakatra galona ity. Ny mpanohitra moa etsy ankilany, dia milaza fa hijoro sy hanamafy ny hetsika sy ny fitsikerana ny tsy mety amin’ity 2022 ity, saingy ho avy masiaka izany ny SEG. Ny SEG dia marihina fa mbola ambany fahefan’ny Minisitry ny fiarovam-pirenena (MDN) ka inona tokoa moa no mahamaika azy hiteny kanefa ny MDN aza tsy nandrenesam-peo ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT