Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Lasa fampihorohoroana ny lalàna cybercriminalité »


  • Talata 29 Septambra 2020

Ny zavatra nanenjehana ny teo aloha no lasa miverina ankehitriny, hoy ny depiote sady mpahay lalana, Hanitra Razafimanantsoa, nampatsiahy ny tolona nataon’izy ireo niaraka tamin’ny depiote 73 tamin’ny 2 taona lasa.

 

 

 

 Demokrasia, hoy izy, no noresahana voalohany tamin’izany ary tafiditra ao ny falalahana miteny sy maneho hevitra. Isany notakiana tsy tao anatin’ny fanakorontanana na fandrobana ny fisokafan’ny MBS sy haino aman-jery nikatona rehetra tamin’izany. Natonona teny amin’ny foibeny ny TVM sy RNM kanefa dia ny omaly tsy miova ny ao hatramin’izao. Tsy misy mpanohitra afaka miditra. Ny fampiakarana ny sarina solombavambahoaka sy fanao politika ary olom-boafidy mandray andraikitra no natao tanjona tamin’izany. Nisy olona marobe nanantena antsika depiote tamin’ireny, hoy hatrany izy, no diso fanantenana. Noresahana ny resaka fanenjehana olona sy valifaty politika. Sarotsaromana tao anaty dingana na “procedure” foana izany ary nitranga ny taona 2009, tamin’ny andron’ny filoha teo aloha hoe gadraina raha vao miteny. Ankehitriny moa, hoy hatrany izy, dia lasa misy ity lalana mifehy ny “cybercriminalité” izay zary fampihorohoroana ny olona tsy mitovy hevitra ity. Izay miteny dia voaantso any. Marina fa misy ny tsy fitovian-kevitra, hoy izy, fa raha ny adalan’ny omaly ihany no haverina dia tsy misy dikany.

J. Mirija

 Legende: Ny Me Hanitra Razafimanantsoa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT