Politique

Hanitra Razafimanantsoa “Aza midi-kizo mikitikitika anay”


  • Alarobia 10 Febroary 2021

“Aza ampitahorina sy ampihorohoroana izahay, fa hatramin’ny 5 febroary no efa fantatray hoe misy kendrena hosamborina.

 

 

 

Nampihorohoroana ny Minisitra teo aloha Andrianjato, ary efa nodidina miaramila ny tranony. Hitanareo ireny olona sy vahoaka ireny, ary izahay efa nampitandrina hoe “kitiho ary”, hoy I ny Depiote Hanitra Razafimanantsoa ao amin’ny Miara-manonja ny alatsinainy teo, ary nohamafisiny hoe: “fantatray fa misy mifofo ny ainay. Eritrereto tsara ihany aloha fa sao hifampitady eto isika. Tsy hanaiky izahay raha misy singam-bolon’ny iray aminay voakitikitika. Izahay mbola tsy niteny fa hanongam-panjakana fa ianareo ao anatin’ny Fitondrana no mety mieritreritra an’izany ». Lazaina fa manely tsaho, lazaina fa manakorontana sy manohintohina ny fiandrianam-pirenena, saingy tsy ampahafirin’ny nataonareo tamin’ny tolon’ny depiote 73 izany, inona no tsy nolazaina tamin’izany? Soa ihany fa nanana fahendrena ny mpitandro filaminana, nihemotra ny Prefen’ny Polisy. Mbola tadidiko tsara, ary eto aho dia mampahatsiahy aho sady vavolombelon’ny tantara fa Atoa Goveronoran’Analamanga ankehitriny dia efa nivatsy “poste soudure” mihitsy hanidiana ny tranon’ny Minisitera rehetra”, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa eo anatrehan’ny mety ho fisamborana na fikitihana ireo mpitarika ny Miara-manonja. Nilaza ity depiote ity fa fantatr’izy ireo ny fanirahana “gros bras” mitady hanao “elimination physique” na famonoana mivantana. Misy depiote vitsivitsy no manao izany, misy minisitra notononiny,… ka tompon’andraikitra ianareo raha misy mahazo ireo ao anatin’ny Miara-manonja, hoy ity depiote ity.

AZA MIDI-KIZO…

“Mikitikitika ny ainay ianareo ka tandremo na marina aza fa tafiditra resaka mafia ity fitondrana eto Madagasikara ity. Aza midi-kizo amin’izany, fa lasa zava-doza ity raha hifampisambotsambotra sy hifanao “élimination physique” izany isika, hoy ity olom-boafidy ity. Niantso ny Fanjakana tsy handrehitra afo i Hanitra Razafinamantsoa, ary nampitandrina fa sao hipoaka mialohan’ny lera ny raharaha. Tsy misy manana tombotsoa amin’ny korontana, ary rehefa tsy misy zavatra mandeha amin’ny laoniny, dia nahitsy izy nilaza fa ny mametra-pialana ny tsara kokoa.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT