Hafa mihitsy ny fomba fijerin’ny filohan’ny «Union Nationale Malagasy des Droits Humains» Rafolisisoa Hanitra.
Ho azy dia nahomby ny paikady namoahana an’i Madagasikara tao anatin’ny krizy lavareny mangitsokitsoka nampahantra ny vahoaka maro an’isa 92% teto amin’ny firenena izay midika ho tsy fisian’ny fanajana ireo zo fototra maha olombelona. Raha ny fanazavany dia tena naharatsy tanteraka an’ny firenena malagasy iny olana ara-politika izay tonga hatrany amin’ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy iny. Ny zava-misy, araka ny fanampim-panazavana nomeny, dia mihoatra noho ireny firenena miady ireny ny fahapotehan’ny firenentsika ankehitriny izay mila fanarenana haingana. Efa nahavita dingana lehibe isika malagasy tamin’ny fiaraha-mientana nanatontosana ireo karazam-pifidianana dia ny fandatsaham-bato ho an’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka. Tsy tokony hijanona eo anefa io firaisankinan’ny mpiray tanindrazana io fa mila tohizana ny fandraisana anjaran’ny hery velona rehetra misy eto Madagasikara. Adidy sy andraikitra goavana takiana amin’ny isam-batan’olona amin’izao fotoana izao anefa ny fametrahana ny tena fampihavanam-pirenena satria tsy foana ny ady mangatsiaka efa niainana hatrany amin’ny taona 1947 ka hatramin’ny taona 2009. Ny tsara homarihina, hoy ity mpikambana misahana ny zon’olombelona ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba fifidianana mandritra ny tetezamita ity dia ilaina ny fampijoroana malaky ny «Conseil National des Droits Humains Madagasikara» izay efa tokony hipetraka tamin’ny taona 2009 saingy iny niaraha-nahita iny ny zava-nisy teto amin’ny firenena. Amin’ny maha filankevitra azy dia mijoro ho andrim-panjakana izy io ho mpanara-maso ny fanajan’ireo mpitondra fanjakana Malagasy isan-tsokajiny ireo zo fototra maha olona. Nanambara moa Rafolisisoa Hanitra fa fanoitra lehibe amin’ny asa fampandrosoana ny firenena ny antom-pisian’ny CNDH Madagasikara ka anisan’ny laharam-pahamehana amin’izany ny fanatraran’ny firenena malagasy ireo teboka 8 ao anatin’ny Tanjon’ny taona arivo fahatelo ho an’ny fampandrosoana izay tsy tontosa noho ny toe-draharaham-pirenena saingy azo atao tsara ny manenjika izany. Ohatra singanina amin’io ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny taona 2015 tokony hahitana ny fampiharana ny miralenta 50%.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.