Mandeha ny ritsoka fa taorian'ny tao amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina port, dia mety horavana ihany koa ny “Hangar” misy ny Fiaramanidina ATR an’ny orinasa Tiko eny Ivato, toerana isan’ny sisa tsy potika sy tsy rava tamin’ny raharaha fandrobana sy fandorana tamin’ny 2009.
Ilay fiaramanidina ATR 42 moa efa tsy afa-nisidina nanomboka ny 2009, ary voalaza fa tsy nomena taratasy ahafahana mikarakara azy. Ny volana jona 2019 no efa nisy resaka hakana ny “Hangar”, saingy nangingina. Mitohy hatrany ny fifanolanana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Tsiahivina fa ny 30 septambra no nametraka taratasy teny amin’ny CFM mitaky ny hampiharana ny tondrozotra taorian’ny krizy 2009, dia ny hanonerana ny fahapotehana nahazo azy ireo ny Vondron’orinasa Tiko, izay misy orinasa 11. Fanohizana ny fandrodanana tany Toamasina no setriny, ary nolazain’ny Tale Jeneralin’ny Seranan-tsambo (SPAT) fa ananan’ny SPAT trosa maherin’ny 8 miliara ariary ny Tiko. Nilaza ho efa nahazo rariny tamin’ny Fitsarana ny SPAT, raha toa ka nilaza koa ny Tiko, fa ny “Cour d’arbitrage” no fara-vahaolana amin’ny ady tahaka izao, fa tsy fitsarana tsotra. Miitatra ny raharaha, ka asa hanao ahoana ny hiafarany?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.