Politique

Handeha hitoroka depiote sy ben’ny tanàna Navotsotra ireo fokonolona 3 nosamborina tao Bekily


  • Alarobia 01 Desambra 2021

“Vaovao vao voaraiko amin'izao avy any Bekily: nosamborin'ny Capitaine de la Gendarmerie, Commandant de Compagnie-n’i Bekily ny Solontenan'ny Mponina avy ao amin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne Distrikan’i Bekily,

 raha saika haka Taxi-brousse hiakatra aty Antananarivo hitondra ny fitarainan'ny vahoaka amin'io Kaominina Tanambao Tsirandragne io noho ny afitsoky ny Solombavambahoaka sy ny Ben’ny Tanàna ao”, hoy ny Praiminisitra teo aloha Atoa Monja Roindefo omaly tao amin’ny tambajotran-tserasera. Nambarany, fa tezitra noho izany fandikàna ny Lalàmpanorenana ataon'ny Zandary any an-toerana izany ny mponin'ny Kaominina Tanambao Tsirandragne. “Amin'izao ora anoratana izao dia mirohotra izy ireo mankany Bekily hitaky hiara-ho gadraina miaraka ami'ny Solontenany telo lahy ireo”, hoy hatrany ity Praiminisitra teo aloha ity omaly. “Ampahafantarina eto izany satria olona an-jatony maromaro no mirohotra mankany ka ahiana ny hisian'ny fitrangan-javatra tsy voafehy. Tsahivina fa: Afaka mivezivezy malalaka eto amin'ny tanin'ny Repoblika Malagasy ny teratany Malagasy sy ny entany araky ny lalàmpanorenanana”, hoy ny fampahatsiahivan’Atoa Monja Roindefo.
NAVOTSOTRA TAORIAN’NY FIFAMPIRESAHANA
Rehefa nifanazava momba ny toe-draharaha dia navela malalaka ihany ireo telolahy voatana ka navela nanohy ny diany, hoy ny Praiminisitra teo aloha ny takariva. “Misaotra ny Commandant CIRGN Toliara, ny Commandant de Groupement Androy sy ny Commandant de Compagnie Bekily ny noho ny fiaraha-miasa, zava-dehibe ny fifampihainoana eo amin'ny tompon'andraikitra toy izao ho tombotsoan'ny filaminam-bahoaka eto amin'ny firenena”, hoy izy.
Toky R
Sary fanehoana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT