Politique

Hala-bato tany Ihosy Voatonontonona i Neypatraiky…


  • Alarobia 12 Jona 2019

Nisy hosoka goavana ny fifidianana depiote tao amin’ny distrikan’Ihosy faritra Ihorombe. Efa nandray andraikitra ny CENI foibe ka naiditra am-ponja ny lehiben’ny CED na ny Filohan’ny Rantsa-mangaikan’ny CENI.

 

 

 

 

 Nabontsina ny lisi-pifidianana tany ambanivohitra ary tsy voadio, nampiasaina ny fahefam-panjakana,… Ny vy tsy mikitrana irery, ka tsy tokony io lehiben’ny CED io ihany no migadra fa ilay kandida niray tsikombakomba nampanao izany, hoy ny fanambarana niraisan’ny kandida Rakotoarimavo Louis Joseph laharana faharoa vonjimaika sy ireo mpiara-dia aminy omaly. Novantanin’izy ireo fa Atoa Rakotomamonjy Neypatraiky minisitra HVM teo aloha, kandida N°7 ambara fa mitarika, dia resy lavitra satria misy kandida telo na efatra tokony ho eo alohany, raha tena nadio ny fifidianana. Ny ankamaroan’ny olom-panjakana dia olona napetraka tamin’ny fotoan’andron’ny HVM, ary izy dia coach HVM rahateo. Ben’ny tanàna 20 nanohana azy satria nizarany vola sy “moto”, raha ny fanazavan’ny depioten’Ihosy teo aloha Ratsimbazafiarison Clément George. Nizarana bisikileta ny sefom-pokontany, mba hanome tombony azy kanefa voararan’ny lalàna. Nisy fiaram-panjakana nanao propagandy. Teo ihany koa ny fanovana ny fitanana an-tsoratra, nentina tany an-tranon’olona ka ahitana taham-pandraisana anjara manodidina ny 100% tamina kaominina ambanivohitra satria novaina, toy ny hoe 38 ny olona nifidy saingy navadika ho 300,… Mankasitraka ny fandraisan’andraikitry ny CENI izy ireo, saingy miantso sy mampirisika mba hiditra amin’ny lalindalina kokoa ahitan’izy ireo ny tena marina. Ny 7 sy 8 jona teo no nametraka fitoriana teny amin’ny HCC sy ny CENI izy ireo. Miantso ny fanintsanana na “disqualification” ho an’Atoa Rakotomamonjy Neypatraiky izy ireo noho ny hosoka izay nohitrikitrihany fa hananany porofo tsy azo lavina, ka tsy hisy hanaiky lembenana eo. Andrasana ny tohiny.

 

Toky R sy Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT