Hitory eny anivon`ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana momba ny hala-bato nitranga tany amin’ny distrikan`i Betroka ny komity mpanohana ny kandidà IRD any an-toerana.
Maro ny tsy fanarahan-dalàna nitranga any an-toerana, fividianana safidin’olona araka ny fanazavana. Misy ihany koa ireo mpiasan`ny CENI nandray anjara tamin`izay hala-bato izay hatrany araka ny fanazavan`i Paolo Raholinarivo, filohan`ity komity ity. Mangataka ny fampiharana ny lalàna velona, ny lalàm-pifidianana, ireo lalàna rehetra izay manana sazy amin`ny ady heloka izy ireo. Mampigadra sy mahavoasazy ny manodinkodim-bato sy mividy olona, hoy ihany izy. Miantso ny fanjakana ambony ny tenany. Tsy hiroso amin`ny fampitahana ny fitananan an-tsoratra eny amin`ny CENI intsony izy ireo fa avy hatrany hitory eny amin` ny HCC. Efa eo am-pelatanana avokoa ny porofo sy hala-bato amin` ny distrika Betroka tamin` ny fifidianana.
Marigny A sy Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.