Amin’ity alatsinainy 26 novambra ity no tony hitsangana ilay vaomiera manokana tarihan’i Alain Juppé, izay handamina ny fifandirana eo amin’i Jean François Copé sy Alain Fillon, samy mitonon-tena ho filohan’ny antoko UMP any Frantsa.
Mety tsy ho raikitra anefa io satria nitsoaka an-daharana tamin’ny ora farany indray i Alain Juppé. Herinandro lasa izay no notanterahana ny fifidianana. Rehefa nambara ny vokatra dia tafiditra laharana voalohany Atoa Copé ary 98 ny elanelam-bato. Tsy nanaiky io vokatra io anefa Atoa Fillon praiminisitra tamin’ny fitondrana Sarkozy ary nilaza fa misy ny biraom-pandatsaham-bato adino, ary mety nisy ihany koa ny hosoka sy hala-bato nandritra ity fifidianana izay ho filohan’ny UMP ity. Teo no nanomboka ny gidragidra satria dia samy namoaka teny mahery ny andaniny sy ny ankilany. Efa nasiana fifanatrehana tamina fahitalavitra mihitsy. Tsy nety nilamina ny raharaha koa dia nantsoina hanelanelana Atoa Alain Juppé. Niala bala tamin’ny ora farany anefa ity farany, ary dia vao maika misavorovoro ny raharaha. Azo ambara hoe tena nanala-baraka ny antoko UMP misy an-dry Jacques Chirac sy Nicolas Sarkozy ity resaka ity, ary manaratsy endrika ny tontolo politika amin’ny ankapobeny any Frantsa mihitsy.
Maro mantsy no nihevitra fa aty Afrika ihany no misy fifandirana noho ny voka-pifidianana fa tsy any amina firenena tandrefana, manankarena, mpikambana ao amin’ny G8 tahaka an’i Frantsa. Nivadika ho fifanandrinana ankolafy ilay voka-pifidianana, ka mizara roa mazava ny UMP ankehitriny dia ireo manohana an’i Jean François Copé sy ny tarik’i François Fillon. Marina fa tsy ny UMP fa ny antoko sosialista no eo amin’ny fitondrana any Frantsa amin’izao fotoana, kanefa na dia izany aza dia azo itarafana ny olana misy eo amin’ny fanaovana politika any an-toerana ity tranga ity. Antoko goavana ny UMP, manana ny toerany amin’ny fiainam-pirenena any Frantsa, nivoaka avy tao aminy ny filoha roa teo alohan’i François Hollande ary azo antoka fa tsy maintsy hisy akony amin’ny fiainana ara-politika any Frantsa ity ady seza ity. Hiroso lalina kokoa ny fanadihadiana ny tena nitranga marina tamin’ny fanisam-bato manomboka amin’ity anio ity. Voalazan’ny fitsipika mifehy ny antoko rahateo fa misy ny vaomiera manokana mandinika sy mandamina ny fifanolanana, koa dia ho hita eo izay hiafaran’ity olana noho ny voka-pifidianana ity.
Hevitry ny Tia Tanindrazana
Mampieritreritra ny zavatra tahaka izao, satria tena miseho manome lesona be antsika amin’ny famahana ny krizy sy famahana ny olana ry zareo Frantsay ary tena miditra lalina amin’ny raharaha eto kanefa kay ry zareo samy Frantsay, noheverina fa mpanao politika matsilo saina sy tena mahay aza, tsy mahavaha ny olan’izy ireo, ao anatina antoko iray. Tokony hampieritreritra ireo mpanao politika Malagasy misolelaka amin’ny Frantsay koa izao olana mianjady amin’ny UMP izao, fa mety ny Frantsay mihitsy izany no nampiana-dratsy antsika amin’ity fitiavan-tseza sy fifidianana tsangan’olona ary resaka ankolafy ity e.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.