Politique

Hajo.A sy ny MMM Lasa fatra-mpitsikera fitondrana


  • Zoma 15 Aprily 2022

Lasa fatra mpitsikera fitondrana. Izay raha fehezina ny fahitan’ny gazety iraisam-pirenena, Africa Intelligence, ny politikan’ny filohan’ny antoko politika Malagasy Miara-miainga na MMM

Hajo Andrianainarivelo, taorian’ny fisintahan’ity minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany teo aloha ity sy ny antokony teo anivon’ny governemanta tarihin’ny praiminisitra Ntsay Christian. Voatsikera daholo ankehitriny ny fivangongoan’ny fahefana eo amin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ity praiminisiny ity. Mipetraka ny fanontaniana hoe mety hitodi-damosina tanteraka amin’i Andry Rajoelina ve ny filohan’ny MMM? Rehefa mihaino ny fanazavany tsinona aloha hatreto dia toa tsy mbola manana heritreritra ny hiaraka amin’ny mpanohitra koa ity antoko ity noho ny fiheverany izay eo anivon’ny fanoherana izay ho mbola hanjakan’olon-tokana. Tsikaritra ho tsy mitsitsy fitenenana kosa anefa ity minisitra ity amin’izao fotoana izao, raha ny filazan’ity gazety ity hatrany rehefa hitsikera ny tsy fihetezan’ny fomba fitantanan-draharaham-panjakana ankehitriny taorian’ny nilazany fa tsy hiditra amin’ny governemanta navaozina ny 16 martsa teo intsony. Ny tena nanaitra ny maro indrindra koa moa dia ity fandavan’ny MMM ny fanapahan-kevitry ny fitondrana tsy hiandany amin’iza na iza manoloana ny ady atsy Okrainina sy Rosia ity. Velom-panontaniana mihitsy hatramin’ireo tsy mpanara-baovao aza hoe fa inona koa ary no tanjon’ity antoko ity? Ny resaka famerana ny famatsiana ny minisitera notantaniny tamina tetikasa tokony nahazoana mihoatran’ny 50.000 dolara, izay isany antony nampikatso ny fampandehanan-draharaha teo anivon’ity minisitera ity ny volana aogositra 2021 hatramin’io martsa 2022 io raha ny voalaza. Voalaza ho namparefo fahafaha-mampiasa vola izay tafanika hatrany amin’ny 60% koa izany. Izany rehetra izany, araka izany, no santionan’ireo tsikera mamaivay lasa mivoaka amin’ny vavan’ny MMM sy ny filohany amin’izao fotoana izao raha ny tatitr’ity gazety ity hatrany. Mitohy mipetraka kosa hatramin’izao ny fanontanian’ny olompirenena tsotra maro hoe tena izao ve izany vao hitany ity filoha ity sy ny antokony sa efa fomban’izany Hajo Andrianainarivelo izany hatramin’izay tokoa rehefa hitany ho mitady ho rendrika ny sambo no miala mialoha ?
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT