Politique

Hajo Andrianainarivelo Tena ho kandida raha ny sary mivoaka


  • Alatsinainy 09 Mey 2022

Efa manome sary toa maneho ny tombatombana ny haha kandida Filoham-pirenena amin’ny taona 2023 ny sary asehon’Atoa Hajo Andrianainarivelo sy ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) izay tarihiny.

Ankoatra ny fanehoan-kevitra mahery vaika nataon’ny mpikambana sasany toa an-dRtoa Volahaingo Marie Thérèse depiote lany tamin’ny lokon’ny IRD saingy avy amin’ny Antoko MMM, dia maneho ny sary politika avoakan’ny MMM fa tena hirotsaka amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ny Filohany. Tsiahivina, fa mafy ny fanambarana politika nataon’izy ireo nialohan’ny nisintahany tao anatin’ny governemanta, ka isan’izany ny hoe: “samy manana vahoaka, samy voafidim-bahoaka ka atsaharo ny antsojay”. Manetsika ny mpikatroka ao aminy sy mamelo-maso ny antokony ny MMM izay midika fa miketrika haka fahefana. Tany Isoanala Betroka no nanehoany izany ny faran’ny herinandro teo. “Faly sy ravo aho tonga mitsidika anareo eto Isoanala, mamaly ny fanasàna avy amin’ny Depiote lany teto amin’ny distrikan’i Betroka, Nicolas Randrianasolo. Nanamarika ahy manokana ny nahita ny Ben’ny Tanàna Malagasy Miara-Miainga lany teto amin’ny Kaominina Isoanala, dia Andriamatoa Gabriel Tahindrazany », hoy i Hajo Andrianainarivelo tao amin’ny tambajotran-tseraserany. Avy tao amin’ny fianankaviana politika mpiara-dia tamin’ny Filoha ny MMM, ary andro vitsy taorian’ny fisintahana tao anatin’ny governemanta, dia naneho fa mbola manohana ny filoha. Nivantana ny depioten’i Bealanana Rtoa Volahaingo Marie Thérèse vao andro maromaro izay, fa tsy mbola manomboka ny fampanantenan’ny Filoha tamin’ny propagandy any amin’ny distrikany. Miketrika ny MMM, ary ho mpifaninana amin’ny volomboasary, raha ny fizotry ny tantara. Any amin’ny fihodinana faharoa no tsy hay hoe: mety hiverina ao anatin’ny fanohanana an-dRajoelina ve raha tafiditra fiodinana faharoa ity farany? Ny mety haha kandida an’Atoa Hajo Andrianainarivelo aloha, dia vao mainka tsy hampitombina ilay fandemen-tsaina ataon’ny mpomba ny volomboasary milaza fa handresy amin’ny fihodinana voalohany ny Filoha ankehitriny, toy ilay tsapan-kevitra nilaza fa 53% mbola vonona hamerina azy, ary ny an’ilay olom-boafidy iray aza niteny fa 60% mihitsy io. Ny vato any Atsimo mety ho lasan’ilay heverina fa ho kandida iray avy any amin’iny tapany Atsimo iny, ny any Antsinanana ratsy ny fifandraisana aminy sy ny mpanao politika iray heverina fa tsy maintsy hahazo ampaham-bato betsaka, ny any Avaratra diso fanantenana amin’ny vidin-davanila nolazaina hatao avo 3 heny, ny eto afovoan-tany efa tsy azy,… Ny mety ho kandida nisintaka avy ao anaty Fanjakana sy governemanta mety ny ekipa tao ihany no misy hiara-hiketrika aminy. Hanahirana an-dRajoelina ihany koa ity mpiara-dia taminy raha izao no ho fandehany. Toa mitady hiverina ny sary nahazo an’Atoa Hery Rajaonarimampianina ny 2018, izay maromaro ireo ekipa nivadika taminy sy nirotsaka ho kandida. Asa hanao ahoana marina ny ho fizotran’ity politika ity?
Toky
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT