Politique

Hajo Andrianainarivelo Nanadio tena tany Toliara


  • Zoma 05 Oktobra 2012

«Ireo mpijapy masinina mpanao kobaka am-bava sy mpitaty ran-kena no nanimba sy nanapotika izao tetezamita izao, ka aza gaga isika vahoaka nitaky ny fanovana raha diso lalana ny tolona natao ny taona 2009».

 Io no nambaran’ny praiminisitra lefitra momba ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana raha nandray fitenenana ny tenany ny alarobia 3 oktobra teo tany Toliara nandritra ny fitokanana ny trano fiasan’ny Habitat for Humanity vaovao. “Mila hovaina ny fitantanana ny firenena”, hoy izy nanohy ny kabariny raha te-handroso marina isika. «Tsy ekena intsony ny fiarovana ny tombontsoan’olom-bitsy izay nambotry ny firenena, ka mampisy ny fahantran-dava lalim-paka toy izao».

Tsinjo sahady fa efa manadio tena imasom-bahoaka amin’ny fifidianana ho avy io, ingahy Hajo Andrianainarivelo. Raha nanontanian’ny mpanao gazety moa ny tenany tany Toliara na hirotsaka na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena dia naviliny any amin’ny ankolafy misy azy ny resaka. «Efa manana kandida voatondro izahay !», hoy izy. Ny tsapan’ny mpanara-baovao aloha hatreto dia miady an-trano ny mpomba ny FAT ankehitriny ary tsy menatra mihitsy ny maneho izany amin’ny alalan’ny kabary ofisialy eny imasom-bahoaka. Mbola nohamafisin’ny praminisitra lefitra tany Toliara ny alarobia teo fa «aoka tsy hotsabahan’ireo mpanao politika ny raharaha tany eto Madagasikara». Mazava ho azy fa valin-kafatra ho an’i Alain Ramaroson io, amin’ny olana ara-tany samihafa toy ny Bionexx any Arivonimamo.

E.R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT