Politique

Hajo Andrianainarivelo Mankahala vahiny ?


  • Sabotsy 17 Novambra 2012

Hafahafa ny fanehoan-kevitry ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo manoloana ny toe-draharaham-pirenena raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany nandritra ilay hetsika tany Ambohidranandriana-Vakinankaratra.

 Nambarany fa tsy misy tokony hilana ny vahiny ny olana eto Madagasikara amin’izao fotoana. Za-dratsy ny Malagasy ankehitriny ka maka tahaka hatrany ny vahiny. Amin’izao fotoana izao aza dia tsy hitantsika mihitsy ny fomba hamahana ny krizy raha tsy misy vahiny. Aminy dia ny lafiny fampandrosoana no tokony hilana ny vahiny fa tsy ny famahana ny olantsika ary tsy tokony hitsabaka amin’izay fandaminana izay ny vahiny.

Nambarany fa lasa tsy manana ny fiandrianany intsony ny Malagasy noho izay fitsabahan’ny vahiny izay kanefa isika no tompon’i Madagasikara ka anjarantsika no mijery ny fampandrosoana azy. Nolazainy fa efa omen’ny vahiny lesona hatrany isika fa tsy misy mety tonga saina hatrany hoy hatrany izy. Amin’izao fotoana moa dia nolazainy fa efa very tanteraka ny hasin’ny maha Malagasy sy ny soatoavin’ny Ntaolo ka samy mila mahatsapa tena amin’izay ny rehetra amin’ny zavatra nataony teto amin’ny firenena. Tokony hiverina amin’ny fampihavanan’ny samy Malagasy amin’izay.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT