Anisan’ny olona notononin’i Alain Ramaroson fa tafiditra amin’ny famonoana ny minisitra teo aloha Nadine Ramaroson ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo.
Raha namaly izany ny tenany omaly dia nanambara fa tsy hiditra amin’ny ady an-tsena. Nilaza koa ny praiminisitra lefitra fa fomba fiadian’ny kanosa ireny kanefa tsy hampihemotra azy amin’ny asa fampandrosoana imasoany. Vao mainka mampirisika ahy hanao bebe kokoa sy hikiry hialan’ity firenena ity amin’ny krizy ireny, hoy i Hajo Andrianainarivelo. Rehefa nanontaniana ny tenany raha toa ka hametraka fitoriana dia tsy namaly mivantana. Apetrako amin’ny mpisolovava ahy sy ny mpanao lalàna ny momba izay, hoy izy.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.