Politique

Hajanirina Ramaherijaona “Tsy manam-pahefana feno ny parlemanta tetezamita”


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Ilaina ny fifidianana fa ny mirotoroto kosa dia tsy mety, hoy i Hajanirina Ramaherijaona. Fanovana no nitolomana ka raha ny famerenana ny fanao teo aloha dia tsy mety.

 Raha ny hevitr’ity mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) ity dia tsy izy ny fifidianana miaraka ka atao anaty vata fandatsaham-bato iray. Aleo samihafa ihany ny vata ho an’ny fifidianana tsirairay avy, hoy izy. Mahatonga resabe izao raha ny fiverenan’ireo sesitany politika any ivelany no lazaina fa vahaolana amin’ny krizy. Anisan’ny manaiky izahay, hoy izy, saingy mila jerena tsara fa raha tsy misy fepetra araka ny voalazan’ny sasany dia tsy mety, raha hodiovina manoloana ny ra nalatsany ny sasany dia tsy mety. Ny hampitoviana ny tadin-dokanga hamahana ny krizy anefa no tanjona, hoy ity CST ity. Ny mikasika ny famontsoran-keloka sy famoahana ireo gadra politika dia manaiky ity CST mpikambana ao amin’ny antoko TGV ity fa lalàna tokony haroso sy holaniana eny anivon’ny parlemanta izany fa ny amin’izao fotoana izao aloha dia tsy manana fahefana feno amin’izany satria tsy olom-boafidy. Tsy hanan-danja loatra izany raha lanian’ny parlemantan’ny tetezamita fa dia tokony handrasana ny parlemantan’ny Repoblika faha-4.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT