Politique

Haino aman-jery eto Madagasikara Tena hamaivanin’ny fanjakana…


  • Alarobia 03 Jona 2020

Fanamarihana hatry ny ela tsy ny fahamatorana ara-potoana ho an’ny fanaovana fandaharana manokana mikasika ny hamehana ara-pahasalamana.

 

 

 

 Hatrany am-boalohany dia efa tsy nisy ny fanajana nataon’ny Tompon’andraikitra mahefa ho an’ireo haino aman-jery eto amin’ny tany sy ny fanjakana, fa ny fandrangarangana sazy sy ramatahora no natao. Marina fa zon’ny fanjakana sy ao anaty lalàna ny “requisition d’office” nataon’ny mpitondra, saingy tsy mba nisy na kely monja aza mari-panajana nataon’ny mpitondra. Mba manana ny lamin’asany fandaraham-potoanany na “grille de programme” ny haino aman-jery tsirairay, saingy tsy matotra ara-potoana ny fandaharana manokan’ny fanjakana, ary tsy maintsy andrasana ny sitrapony. Tsy mba misy fampahafantarana sy toa nivoana tamin’ny resaka ara-pahasalamana ny fandaharan’ny Filoham-pirenena ny alahady teo, saingy tsy mba nisy fampahafantarana mialoha sy fialan-tsiny satria ny lehibe tokoa angamba tsy mba diso ary azy ireo ny lalàna sy ny fahefana. Somary nanaitra ny filazan’ny Filoha ny alahady teo fa ny antso tolo-bidy momba ny Kianja Masoandro dia navoaka tao amin’ny gazety be mpamaky indrindra eto Madagasikara, hoy izy. Rehefa hanao “requisition” izany, dia ny haino aman-jery rehetra, fa rehefa mba misy tombotsoa dia izay metimety amin’ny mpitondra. Rariny sy hitsiny ve izany sa izay tokoa ilay hoe izay tianay io fa izahay aloha no eto ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT