Isan’ireo tonga dia kivy aho, hoy ny mpisehatra ara-tsosialy sady mpandinika fiarahamonina, Haingo Paradis, vao nahita ny mpikamban’ny governemanta voatendry farany teo.
Nanantena fiovana be aho, hoy izy. Nanantena fa olona sahy handray fanapahan-kevitra hahasoa ny vahoaka no ho tendren’ny filoham-pirenena. Tsy izay anefa no hita. Ny teo ihany no teo. Tsy ny minisitra vaovao no tena nandrasan’ny maro fa hoe hatraiza no fahasahian’ny filoha manova, manala ireo hita fa tsy mahomby? Firifiry ireo minisitra nahitana tantara ratsy maro vao tsy ela! Fantatry ny rehetra izany nefa dia tafaverina soamantsara indray. Izay moa no zava-misy. Sarotra ihany ny toeran’ny filoham-pirenena satria diso safidy izy. Aleony ireto minisitra efa nandoto azy ireto toy izay ny vahoaka izay efa niantsoantso izay tokony ho fanovana malaky izay. Efa akaiky ny 2023 ary raha ny endriky ny filoha dia hita fa tsy ao mihitsy izy, reraka. toy ny vesarana adin-tsaina be izany. Ny praiminisitra angamba no hitantsika hoe falifaly teo. Efa ho 200% angamba ny fiakaran’ireo entana ilaina an-davan’andro, indrindra indrindra. Misy minisitra tena miasa an-kitsi-po saingy gisa mainty ny ankamaroany ary ireo gisa mainty ireo no tena mibahana sy manao izay hanimbana ny filoha saingy mahagaga fa toy ny tsy hitany izany na dia maro aza ireo antsoantson’ny mpiara-monina momba izany. Aza misy mitsoaka fotsiny rehefa feno ny kapoakam-bahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.