Tsy misy tokony ho laharam-pahamehana ankoatry ny fahasalamana izao, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Haingo Paradis,
naneho hevitra miantefa mivantana amin’ny mpitondra fanjakana omaly. Ny resaka fotodrafitrasa sy ny hafa rehetra tena mbola tsy fotoanany amiko, hoy izy, fa ny hijerena izay fahasalamam-bahoaka izay no tena tokony atao. Mahatsiaro ho reraka sy tsy mahita lalan-kizorana intsony ny vahoaka ao anatin’ny ady amin’ity aretina COVID 19 ity. Manao be marenina ve ny fanjakana satria raha tsy hiteny fotsiny ny resaka fahatapahan-jiro, ohatra, dia maro ny mikaikaika nitaraina sy nijoro vavolombelona. Manantena aho fa hijery ifotony sy hitady vahaolana hampihenana izany ny fitondram-panjakana. Tsy tokony ho azo ekena mihitsy anefa ny fahatapahan-jiro amin’ireo toerana misy ny mararin’ny COVID 19. Tafahoatra izy tato ho ato ary tsy io no nifanarahana raha iverenana ny tenin’ny filoham-pirenena satria nanome toky izy fa tsy hisy intsony izay resaka “délestage” izay. Famitaham-bahoaka, noho izany, no mitranga amin’izao fotoana izao, raha tsorina satria mifanohitra tamin’ny nolazaina ny zava-misy. Mampametra-panontaniana hoe famotehana ny orinasam-panjakana JIRAMA ve no atao mba ho amidy izy rehefa leo ny vahoaka? Tsy herinaratra ihany fa ny rano koa mampijaly ny olona izao. Mila mitazona ny teniny, noho izany ny filohan’ny repoblika ary mila mailo mba tsy ho sahirana raha diso fanantenana ireo mpanaradia azy. Misy olom-bitsy manana tombontsoa manokana manidy na manidy ny fijerin’ny filoham-pirenena ao ka fotoana izao, hoy hatrany ny tenany, handravana ny governemanta na hametrahan’ny filoham-pirenena fialana mihitsy rehefa tena hita fa tsy vitany intsony satria hita ho manomboka mahatsikaritra izay ny vahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.