Politique

Hafatry ny Pr Ralison Roger ho an-dRajoelina « Ahilio ireo manaratsy endrika raha mbola hirotsaka »


  • Alarobia 10 Novambra 2021

Tokony miverina mifampidinika amin’ireo tena mpanohana azy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina mialohan’ny hiatrehany ny fifidianana raha mieritreritra ny mbola hitondra fanindroany, ary tokony hisy ny fahasahiana manilika

 ireo olona manaratsy endrika azy, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika raharaham-pirenena Atoa Ralison Roger omaly tao amin’ny fahitalavitra Real TV. “Lombolombon’ny tamin’ny taona 1991, izany hoe mitovitovy na ambony kokoa noho ny zavatra niainana tamin’ny 1991 ny iainana eto amin’ny firenena izao. Misy ny olana ara-tsosialy lehibe, ary rehefa io olana io no tsy voafehy, ny olana momba ny fandriampahalemana tsy voafehinao, ny olan’ny fampianarana,… dia atahorana izay”, hoy izy. Nohamafisiny fa atahorana foana ny kandida, ary matoa izy milatsaka misy manohana izy na eto an-toerana na any ivelany. Amin’izay fotoana izay izy, dia lasa adin’ny iraisam-pirenena. Raha misy manohana ihany koa aza ianao, indrindra fa ny eo amin’ny fitondrana, ireny nanohana rehetra ireny ka tsy afa-po aminao dia hitady olona hafa ihany koa izy hotohanana. Noho izany, ny Filoha Rajoelina dia mila mitandrina, ary tokony ho sahy hanilika ireo fandoto iray tandroka ao anaty fitondrana, raha ny fanehoan-kevitr’ity Mpandinika ity. Etsy ankilany, mimenomenona ny fikambanana izay nanohana azy hoe: toa olona tsy fantatra ary daholo no lasa eo amin’ny fitondrana fa izahay ahoana? Tsisy mahamenatra ny mijery hoe aiza ianareo ilay mpiara-mitolona ireny, dia mahatanty tsikera hoe izao no tsy mety. Ahitsy izay tokony hahitsy. Mila mahasahy manilika izay manalokaloka, mila mamerina antsakany sy an-davany ny fahatokiasan’ny olona azy, raha mieritreritra mbola hirotsaka, hoy io Mpandinika io
AVELAO NY OLONA HANEHO HEVITRA AN-DALAMBE
Tokony hahitsy ihany koa ny fanakanana ny fahalalahana maneho hevitra. Raha izaho no mpanolontsaina azy dia miteny aho hoe: avelao ny olona haneho hevitra eny an-dalambe tahaka ireny ataon’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ireny. Raha vao fehezina tsy haneho hevitra, dia mandeha makany amin’ny tambazotran-tserasera, ary vao mainka ireny be mpanaraka. Afaka maneho hevitra ihany koa ny mpomba ny fitondrana. Mila havela maneho hevitra fa miaro ny mifehy ny tsy hisian’ny korontana ny miaramila, hoy ny fanehoankevitr’Atoa Ralison Roger.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT