Hafari Malagasy

> Miady ny tombontsoan’ny mponin’i Vakinankaratra koa


  • Zoma 24 Janoary 2014


Manomboka milatsaka any amin’ny faritra sy ny renivohi-paritra ny HAFARI Malagasy amin’izao fotoana. Raha ny ao Vakinankaratra dia ny Distrikan’Antsirabe voalohany sy Betafo no efa iasany raha iny taona 2013 iny. Saika mahakasika ny ady tany sy ny olana manodidina an’izany no betsaka amin’ireo antontan-taratasy ahazoan’izy ireo fitarainana sy vahana raha ny ao Vakinankaratra. Nahatratra 150 teo no nokirakirain’ny HAFARI iny taona lasa iny ka ny 17 tamin’ireo dia efa voavaha ara-dalàna raha ny tatitra ihany. Manamarika ny HAFARI Malagasy fa mbola olana ny rijantenin-dalàna sy didim-pitsarana Malagasy izay amin’ny teny Frantsay ka miteraka tsy fahazoana sy fanambakana ireo tantsaha maro an’isa hatrany izany. Antso avo moa no ataon’ny HAFARI Malagasy ho an’ny fitondram-panjakana mba hijerena io olana io.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT