Vao avy namboarin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ny Kianja Mitafo na ny Gymnase Ampisikina Mahajanga no noravaina hatrany ifotony vao tonga ity fitondrana ity, fa hoe hatao manarapenitra.
Ny 29 septambra 2019 ny fandrodanana no natao, ary ny jona 2020 no vinavina hitokanana azy kanefa inona akory no teo. Mampahatsiahy ny Kianja Rasolonjatovo tao Ambatondrazaka izay ny tamin’ny tetezamita no notrongisina, ary navela teo ka taty amin’ny taona 2019 vao nisy fanamboarana. Hatreto tsy nisy asa nanomboka ny any Amin’ny Gymnase Ampisikina. Mivoatra ny raharaha, ary raha ny siosion-dresaka, dia tsy hanomboka io raha tsy miala (esorina, ravaina) koa ny Tennis Club de Mahajanga, izay mifanila amin’ny Gymnase Ampisikina. Efa talohan’ny Gymnase no nisy ny Tennis Club de Mahajanga. Misy kianja filalaovana (court) telo ao, ankoatra ny fanaovana lalao hafa, toy ny Billard sy “restaurant”. Nomena 10 andro hialany tao ny Tennis Club de Mahajanga, raha tsy izany hotrongisina manta, raha ny loharanom-baovao hatrany. Mandeha ny resaka, fa ilain’ny mpandraharaha iray mpanefoefo akaiky ny fitondrana hananganana hotely ilay toerana, ka izay no isan’ny hanaovana tsindry fa tsy manomboka ny asa fanamboarana ny Gymnase raha tsy miala eo ny Tennis Club de Mahajanga, hoy ny fanamarihana. Mitaraina ireo mpilalao aman-jatony, teratany Malagasy sy vahiny, milalao ao noho io tery vaimanta io. Misoratra ara-dalàna amin’ny Tennis Club de Mahajanga ny tany. Niova anarana matetika ny Gymnase Ampisikina « Gymnase Municipal de Mahajanga » « Gymnase olympique de Mahajanga » « Complexe sportif de Mahajanga », ary mety hiova Gymnase Manarapenitra indray.
Toky R sy Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.