Poizina ngeza indrindra eo amin'ny fiainana dia ny manenjin-dresy, hoy ny depiote teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa. Aza manenji-dresy fa voasarika any foana ny sainao dia tsy mifantoka intsony mijery ny tanjona aleha ny maso ary tsy miasa 100% intsony koa ny vatana.
Ireo niaiky fa resy dia nanaja tena ary manome anao fotoana hanehonao fa ianao izany no mahery. Anjaranao no mampiseho ny mpijery fa mahery ianao amin'ny fanatanterahanao ny asa handrasana aminao. Fa tsy hoe satria ianao maharesy dia mbola ny hamono tanteraka ilay efa niaiky fa resinao ihany no hanaporofoanao fa mahery ianao. Tsia! diso tompoko raha izay no handraisantsika ny atao hoe resy sy maharesy, hoy I Guy Rivo Randrianarisoa. Matoa tapitra ny lalao dia miasa sy mampiseho ny heriny amin'ny asa handrasana aminy ny mpandresy. Matoa tapitra ny lalao dia miezaka miarina sy manatanja-tena ny resy hahafahany miatrika ny lalao manaraka. Raha mitabataba ny resy avy eo dia lojika, hoy ny fiteny, satria mangataka valin’ady izy mba hisian'ny lalao manaraka. Izay no izy saingy diso lalana isika rehetra satria mihevitra fa mbola mitohy ny lalao izay efa tapitra teny amin'ny HCC, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.