Tsy mahagaga raha tsy tonga mifidy intsony ny olona, hoy i Guy Rivo Randrianarisoa tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly. Tsy mahagaga, hoy izy, raha tsy mihaino na tsy mandray toromarika intsony ny vahoaka. Ny taona 2009 - 2020,
izany hoe 11 taona maninjitra efa tsy nitondra intsony i Ravalomanana dia mbola resaka Ravalomanana sy ny orinasany foana no resahana sy laharam-pahamehana eto amin'ny firenena? hoy ity mpanao politika ity. « Fahantrana hiadivana dia tena faly aminareo ny olona fa faha mbola ataonareo resaka Rajoelina Ravalomanana io..., » hoy hatrany i Guy Rivo Randrianarisoa manoloana ny toe-draharaha sy ny fifanolanana mafampana misy eo amin’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny mpitondra ankehitriny. Anisan’ireo mpanao politika resy lahatra i Guy Rivo R fa tsy mampandroso ny fandaniana andro miresaka olona fa tsy aleo foto-kevitra sy vina arahin’asa ary hampandroso ny rehetra no handaniana ron-doha.Anisan’ireo Malagasy mbola tavela any ivelany moa i Guy Rivo Randrianarisoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.