Taorian’Atoa Vonison Andrianjato, dia nahazo fampiantsoan’ny zandarimaria
avy amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava eny Fiadanana ihany koa Atoa Guy Maxime Ralaiseheno ho an’ny omaly 15 febroary 2021. Antso fankahalana ny Filohan’ny Repoblika sy ny Fanjakana Malagasy no voalaza fa antony, raha ny nambarany tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tao amin’ny Miara-manonja omaly. Tamim-pahasahiana no nilazany, fa tsy mila sintonina ny vahoaka Malagasy fa efa leo Fanjakana mitondra lainga, tsy fahombiazana, fahantrana ho azy. Ity Fanjakana ity, dia fanjakana tsy mba mitodika makany amin’ny zo fototra ananan’ny vahoaka na ananan’ny olom-pirenena. Hatrany am-piandohana dia mazava ny lalan-tsaina ho an’ny miara-manonja dia ny fahasahiana miteny ny marina tamin’ny fomba matihanina amin’ny maha mpanao gazety na mpanao politika narahina porofo, raha ny voalazan’io mpanao politika io. Miteny hoe inona ny zava-misy inona no azo resahina amin’ny raharaham-pirenena. Isan’ny noresahina ny raharaha volamena 73,5kg. Hatrany am-piandohana dia tsy niteny ny marina ny Fanjakana, niovaova ny zavatra ambara. Maro ny mpitondra niezaka nanadio izao Fanjakana izao, kanefa fantatsika loatra fa ny raharaha amin’izao dia tsy azony ialana. Ny pirina no voatonontonana, fa ireo zatra ny lalan-dririnina amin’ny raharaha volamena, ny raharaha boaderozy dia very an-javony. Mitady ho zatra an’izany ny Fanjakana, saingy tsy azo ekena satria fananam-bahoaka, hoy i Guy Maxime Ralaiseheno naneho fa efa efa vonona sy tsy manaiky lembenana ny Miara-manonja.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.