Vantaniko eto fa iny fanapahan-kevitra iny no nahatonga an’izao fidiran’ny coronavirus izao,
ary olona maro no efa niteny ny amin’ny tokony hanankatonana ny sisin-tany? Hoy ny mpanao politika Guy Maxime Ralaiseheno raha nivahiny tamina fahitalavitra tsy miankina iray omaly hariva. Ny fanapahan-kevitra tara sy diso no nahatonga an’izao, raha ny fahitany azy. Ilay 5000 tonga tamin’ny fiaramanidina ve natakalo an’ireo 25 tapitrisa ? Tsy nisy lamina hafa azo natao ve? Hoy ny fanontaniany. Eo amin’ny fitantanana ny firenena amin’izao raharaha izao, dia tsy miteny ny Praiminisitra, ary tena misy “dysfonctionnement” ao anatin’io fanjakana io. Misy tsy fitoviana fomba fijery eo anivon’ny governemanta sy ny prezidansa, raha ny nambarany. Ny Lehiben’ny governemanta tsy ahitana teny ao anatin’ny 20 andro, kanefa ao anatin’ny didim-panjakana momba ny hamehana, dia homena fahefana betsaka ny Praiminisitra. Efa tamin’ny 2018 aho no nahita fa tsy mandeha araka ny tokony ho izy io governemanta io, raha ny fahitany azy. Ankoatra izay dia mila hatao mangaraharaha ny drafitra sy ny fitantanana, hoy izy. Lasa aloha loatra ary tokony hisy fanadihadiana lalina ny filazana momba ny fanafodin’ny coronavirus, ary mila fankatoavana iraisam-pirenena rahateo io. Mila mahay mihaino ny mpitsikera, mihaino ny mpanohitra, mihaino ny mpanao gazety, hoy ity mpanao politika ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.