Politique

Guy Maxime Ralaiseheno Hitohy io ady an-tranon’ny FAT io


  • Alakamisy 04 Oktobra 2012

Tsy takona afenina intsony fa toy ny tafika andrefan-tanŕna ny fifanitsiana, na azo lazaina mihitsy hoe fifanandrinana eo amin’ireo samy mpomba ny FAT momba ny raharaha any Atsimo, araka ny fanazavan’i Guy Maxime Ralaiseheno tetsy amin’ny kianjan’i Magro omaly dia tsy mety hita sy tratra i remenabila, ireo mpitandron’ny filaminana any an-toerana anefa tsy manao afa-tsy ny miady tombontsoa manokana satria samihafa ny azy ireo.

 «Tsy Mahamenatra ny mametra-pialana rehefa tsy vita ny raharaha», hoy ihany ity filohan’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ity. Ankoatra izay dia nambarany fa tsy mijanona ary tsy hijanona fa hitohy ny ady an-tranon’ny FAT raha tsy Rajoelina no miala. Momba ny resaka fampihavanana indray dia nambarany fa tsy hisy izany raha tsy tafody sy milatsaka hofidiana i Marc Ravalomanana, raha tsy hita ny marina momba ny 26 janoary 2009, raha tsy fantatra hoe iza tokoa no nampamono olona ny 7 febroary 2009. Ankoatra izay dia nasian’i Guy Maxime Ralaiseheno resaka ihany koa ny momba ny mety hisokafan’ny onjam-peo Free FM. Tsy tokony hisy mizana tsindrian’ila, hoy izy fa raha sokafana ny Free FM dia tokony hisokatra avokoa ireo haino aman-jery nakatona, anisan’izany ny MBS.

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT