Politique

GTT International Genčve Toamasina Hitondra ho aiza ity fifidianana teren-ko masaka ity ?


  • Zoma 12 Aogositra 2011

Manana sampana GTT International Genčve ny ao Toamasina, izay ahitana ny eo anivon’ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo. Efa najoro vao haingana koa ny tao Alaotra Mangoro. Atoa Ndihamahazo Mickaelys no mitarika izany. Nisy ny resaka nifanaovanay taminy.

 Tia Tanindrazana (TT) : Inona marina moa ity GTT International Genève Toamasina ity ? Inona no antony nampijoroanareo azy teto Toamasina ?

Ndihamahazo Mickaelys (Mickaelys) : Tsy hilaza miara-mahita isika amin’izao zava-misy iainan’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy izao. Efa hatrany am-boalohany ny foibenay any Genève (Soisa) no nahatsapa izao tohin’ny tantara izao. Ho fanapariahana ny asa ataon’ireo any amin’ny foibe, dia napetraka ny sampana Toamasina. Marihinay fa ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana no misy anay ary anisan’ny mpanangana ihany koa ny Rodoben’ny Malagasy Toamasina sy mpandray anjara mavitrika amin’ny hetsika ataony rehetra.

 

TT : Ny fijerinareo ny toe-draharaha politika ankehitriny ?

Mickaelys : Hita aloha fa miroso amin’ny rafitra nofinidiny ny FAT, nefa raha hiroso izy ireo dia ho aiza ? Ny zava-misy dia latsaka anaty kizo ny toekarena, ary ao anaty tonelina sy hady lalina ny fiainan’ny Malagasy. Hamafisinay fa tsy hisy fivoahana amin’ny krizy izany eto raha tsy mipetraka ny fiaraha-mitantana hamaritra ny fomba hametrahana ny Repoblika faha-04 satria tetezamita no misy ka tsy maintsy mandray anjara ny rehetra.

 

TT : Io efa manomana fifidianana io ary ny FAT, ny hevitrareo ?

Mickaelys : Afaka manomana fifidianana ny FAT, nefa fifidianana hitondra mankaiza ihany koa ? Aminay dia hiteraka krizy vaovao indray ny fiziriziriana hanomana io fifidianana io. Tsy ny Ben’ny tanàna na ireo lehiben’ny Faritra koa no olana sy nisian’ny fahambangana ara-pitantanam-panjakana eto. Raha tiana hivaha haingana ny krizy dia ny fiaraha-mitantana ihany dia ny fampodiana ireo sesitany ny politika ka anisany ny filoha Ravalomanana sy Ratsiraka, avy eo miara-mandinika ny hitondrana ny firenena sy ny fifidianana filoham-pirenena.

 

TT : Hafatry ny GTT International Genève Toamasina ?

Mickaelys : Ny GTT International Genève Toamasina dia mandray anjara mandrakariva eo anivon’ny Rodobe. Manomana hetsika lehibe izahay amin’ny faran’ny herinandro ity ho fanomanana ny fahatongavan’ireo sesitany politika sy ireo filoha mirahalahy Ravalomanana sy Ratsiraka an-tanindrazana ato ho ato ka anasanay ny Malagasy rehetra handray anjara fa kila sisa ny tolona sy hivahan’ny krizy.

 

Nangonin-dRakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT