Politique

GTT International 01 Nahatsiaro ho voafitaka


  • Talata 18 Janoary 2011

Manao ranolava ny setrin-teny miendrika valin-kafatra ho an’i Emile Ratefinanahary taorian’ny fanehoan-kevitra nataony teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny 10 janoary 2011, anisan’izany ny nilazany fa manohana ny antoko mihilana TIM-Raharinaivo ny mpitolona GTT (Gasy Tia Tanindrazana).

Mitsipaka marindrano izany filazana izany ny biraon’ny GTT International 01 (mizaka ny faritra Ile-de-France) ary manamafy fa ny GTT International 01 dia tsy manohana velively ny antoko mihilana TIM-Raharinaivo, fa kosa manohana ny ankolafy Ravalomanana ary miady hatrany ho an’ny fiverenan’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana. Araka ny fanambarana niarahan-dry Abraham Olivier, Harison Feno, Harison Laurette, Radanielina Holy, Rafidison Jean Philippe, Randria Fano, Rasamoely Henri sy ny mpikambana isany Paule Saholy, Rafidison Noro, Randrianasolo Antoine ary Ratiarivelo Christophe, nanao sonia ny 15 janoary 2011 dia milaza fa nahatsiaro tena fa voafitaka izy ireo. Amin’ny GTT International 01 dia nisafidy ny hankany amin’ny antoko TIM mihilana tarihan-dRaharinaivo, i Emile Ratefinanahary, ary miara-dia amin’ny ireo mpanongam-panjakana mitodi-damosina ny fifanarahana tohanan’ny vondrombe iraisam-pirenena.

Nanamafy izany koa ry zareo GTT Suisse Rhône Alpes (GTT SRA), tarihin’i J Landry, izay milaza fa fanehoan-kevitr’i Emile Ratefinanahary samirery iny fa mamatotra ny «Gasy Tia Tanindrazana», izy (Vazaha) rahateo tsy afaka mitondra tenin’ny GTT araka ny nambarany ihany. Nanamafy i J Landry fa tsy sampana na koa miankina amina antoko politika ny GTT SRA noho izany tsy natao hiarovana na hikatsahana tombontsoan’olon-tokana. Etsy ankilan’izay ny GTT SRA dia midera ny herimpon’ny mpitolona ao amin’ny Magro, izay niady tsy nitsahatra andro aman’alina, hamerenana ny ara-dalàna sy ny tany tan-dalàna eto Madagasikara. Andaniny ny GTT SRA dia manameloka ny politikan’ny tia kely, tsy mijery afa tsy ny tombontsoany, manao tsinontsinona ny taranaka hoavy. Koa ireo izay milaza fa mpitolona dia tokony ho mendrika izany anarana izany, hoy izy ireo, satria ady masina no atrehin’ny Malagasy izany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT