Groupement Parlementaire Spécial

> Najoro hampandroso an’i Madagasikara


  • Zoma 07 Febroary 2014

Nanangana vondrona parlemantera antsoina hoe GPS na Groupement Parlementaire Spécial ireo solombavambahoaka sasany vao nambaran’ny Fitsarana manokana momba ny fifidianana fa voafidy omaly.

Miisa 20 izy ireo no ao anatin’io vondrona io ka Randriarimalala Harijaona na fantatra amin’ny fiantsoana hoe «Jaona Elite», solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano no mpandrindra azy io. Tsy nanana fifanarahana tamina antoko izy ireo fa tanjona nampijoroana ny vondrona ny hampandrosoana ny firenena ary indrindra ireo vahoaka ao amin’ny Distrika izay nifidy azy ireo. Satria fampandrosoana no resahana dia tsy nanavahana antoko politika na koa firehana ny fampidirana ireo parlemantera ao anatin’ity vondrona ity. Tsy nisafidianana faritra niaviana ihany koa satria avy amin’ny faritra maro maneranana ny Nosy izy 20 mianadahy ireo. Nanamafy i Jaona Elite fa tsy hirotsaka ho mpanohitra izy ireo satria hatreto dia tsy mbola nisy mpanohitra teto Madagasikara ka nitondra fampandrosoana. Ny fampandrosoana anefa no tena tanjon’izy ireo, izay heveriny fa miankina be dia be amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondrana sy ireo andrimpanjakana isan-tsokajiny. Miantso ny rehetra hanambatra hery ho amin’io fampandrosoana izay heverin’izy ireo fa tena ilaina io ireto parlemantera ireto. Nomarihany moa fa tsy misy hifandraisana amin’ny vondrona MAPAR izy ireo fa samy solombavambahoaka fotsiny ihany.

 

 

Nofy R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT