Groupement Ambalambahoaka

> Tsy mila Haja Resampa sy Andry Rajoelina


  • Alarobia 26 Febroary 2014

Nahitsy sy nivantambatana ny fanambarana nataon’ny “Groupement Ambalambahoaka” tao amin’ny Mon Gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly.

Tsy hainay Ambalambahoaka ny hangina, hoy ny mpandrindra Ratiarison Jean na i Arison, manoloana ny fangirifirian’ny mponina noho ny takaitra navelan’ny mpanao politika. Diso ny filazan’ny Mapar, hoy izy, fa hoe ry zareo no nametraka ny filoha Rajaonarimampianina teo amin’ny toerany ary tsy i Andry Rajoelina koa fa ny vahoaka no nisafidy azy. “Aza ahodinkodina ny safidim-bahoaka fa dimy taona no nifanarahana hitantanan’ny filoha eo ka ho sarotiny amin’ny fiarovana izany ny eny Ambalambahoaka fa izahay koa mbola hery hafa noho ny hery vaovao”. Fitiavan-tena no andikanay ny MAPAR, hoy i Arison, “nangina izahay nandritra ny dimy taona fa tena leo krizy izahay izao ka aza mamboly krizy hafa eo intsony ianao ry filohan’ny HAT fa ianao efa namadika anay tamin’ny ianao niverina avy any Maputo. Tsy matoky ny praiminisitra atolotry ny MAPAR, Atoa André Haja Resampa koa izahay fa efa im-betsaka voafitak’io olona lazaina fa be diplaoma io”, hoy hatrany ny fanambarana tamin’ny feo avo.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT