«Groupe Parlementaire Spécial»

> Manohana ny filoha Rajaonarimampianina


  • Alatsinainy 17 Febroary 2014

Taorian’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny vaomieram-pirenena mahaleotana misahana ny fifidianana mandritra ny tetezamita no niforonan’ny «Groupe Parlementaire Spécial » na vondrona parlemantera manokana.

Miisa 26 ireo solombavambahoakan’i Madagasikara hita ao anatiny ankehitriny ary mbola miantso ireo depiote vonona ny hampandroso an’i Madagasikara hanatevin-daharaha azy ireo. Fanambarana mazava no nataon’ity vondron’ny solombavambahoaka manokana ity fa tsy mpanohitra ny fitondrana mijoro ara-dalàna tarihin’ny filoham-pirenena vaovao Rajaonarimampianina Hery izy ireo fa manohana azy kosa amin’ny asa fampandrosoana ny firenena taorian’ny krizy lavareny nianjady tamin’ny vahoaka malagasy nandritra ny efa-taona mahery izay. Notsindrian’ny mpandrindra ankapoben’ny fikambanana GPS, Helson Brisson Erafa na ny depiote JB fa miara-miasa ihany koa amin’ny MAPAR izy ireo mba hisian’ny fitoniana ara-politika sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Laharam-pahamehana ho an’ny vondrona parlemantera manokana ny fiatrehana ny fivoriana tsy ara-potoana hotanterahana ny talata 18 febroary 2014 izao izay hananganana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena sy ny fifampidinihana eo amin’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara amin’ny fanendrena ny praiminisitra. Milaza ho tsy mbola manana kandida amin’ireo toerana ireo moa ny GPS, araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny Relais de La Haute Ville Anjohy omaly alahady 16 febroary 2014 folakandro.

 

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT