Izahay ao amin’ny Green Gasikara dia anisan’ireo vonona tanteraka ny hiaro ny safidinay nosihosena tamin’iny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa iny ka izany no hahatongavanay eto amin’ity kianjan’i Magro ity, hoy ny mpandrindra nasionaliny Atoa Fidison. Fantatra ny zava-nisy nataon’ny CES tamin’iny faha-17 janoary teo iny, hoy izy, ary mbola niniana natao datin’ny faha-17 n’ny volana hatrany tahaka ireo fotoana namoahan’ireo nanao ny tsy nety teto amin’ny firenena ka nanongam-panjakana tamin’ny 2009 no nanatanterahana an’iny fotoam-pitsarana iny. Koa manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy izahay raha mbola vonona hiaro ny safidintsika isika dia aoka samy handrafitra maika ny stratejiany. Ho anareo manana fahefana afaka mandeha n’aiza n’aiza, atsangano haingana ny KMSB. Feno ny kapoakan’ny vahoaka ka aza ela fa ndrao ho tavela eto isika ary ho tavela any Afrika Atsimo i Dada, apetraho haingana ny stratejia hiarovana miaraka ny safidintsika.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.