Miteraka resabe tao Toamasina ny momba ny fikambanana Grand sud ivondronan’ireo zanaky ny faritra atsimo atsinanana .
Nitondra fanazavana momba izany ireo Raiamandreny sy Ampanjaka mivondrona ao anatin’ny Telo Troky.Nambaran’izy ireo fa iray ihany ny filoha mitarika ny Grand Sud ao Toamasina izay napetraka araka ny fomban’ny fikambanana natrehan’ireo raiamandrenibe tao amin’ny Tranobe Morarano Analakininina Toamasina dia Rasivindravalotry Auswalido Claudio , zanaky ny distrikan’ny Vangaindrano izy. An-taonany maro no efa nijoro ny fikambanana Grand Sud ka samy efa nitantana ny fikambanana avokoa ireo distrika mandrafitra azy .Araka ny fifanarahana dia mandritry ny 4 taona no itondran’ny filoha iray. Somary nandringa anefa izy io noho ny fitsabahan’ny resaka politika tao anatiny, araka ny fanazavan’ireto voalaza ho raiamandreny ireto. Mba hamerenana amin’ny laoniny ny hasin’ny fikambanana dia nisy ny fivoriana sy dinika tamin’ireo zanaky ny Sud Est mivondrona ao anatin’ny Grand Sud. Tapaka fa averina amin’ny zanaky Vangaindrano ny fitantanana ny fikambanana mandritry ny 4 taona izay miatomboka amin’ity taona 2020 ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Rasivindravalotry Auswalido Claudio
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.