“Grand Corps de l’Etat Malagasy”

> Misoroka ny tsy hiverimberenan’ny krizy


  • Alarobia 26 Febroary 2014

Nanao valandresaka ho an’ny mpampahalala vaovao tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly ry zareo ao amin’ny “Grand Corps de l’Etat Malagasy” ka nanambara fa eo anatrehan’ny savorovoro sy ny fifandroritana ara-politika misy amin’izao fotoana, indrindra eo amin’ny fanendrena izay ho Praiminisitra hitantana ny Governemanta vaovao dia nanipika izy ireo fa ny fifidianana dia lalana nivoahana tamin’ny krizy fa tsy vahaolana vita ho azy akory.

Mba tsy hiverimberenan’ny krizy eto amin’ny firenena intsony dia tsy maintsy apetraka ny fototra sy ny rafitra, ka noho izany dia olona tsy voasaringotry ny adilahy politika nisy teto amin’ny firenena, afaka hifanome tànana amin’ny mpiasam-panjakana izay natao anjorom-balahatramin’izay, afaka hampiavana ary tsy hametraka olana intsony amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena no tokony ho praiminisitra. Nampahatsiahy koa ry zareo ao amin’ity federasionan’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana ambony ity fa mazava ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-54 fa ny Filohan’ny Repoblika no manendry ny Praiminisitra araka ny tolotra avy amin’ny antoko na vondron’antoko manana ny maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena koa hevitra naroso ny tahaka ny an’ny rehetra ny an’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tsy mamatotra an’iza na iza. Andraikitry ny Filoham-pirenena ihany koa ny manendry Praiminisitra amin’ny ahazoany manatanteraka ny fandaharan’asa hampandrosoany ny firenena. Nanamafy ihany koa ny «Grand Corps» fa tsy atao fampitahorana ny fampiatoana ny filoham-pirenena amin’ny asany na «empêchement» izay hiteraka kirizy vaovao indray fa mazava ny voalazan’ny lalampanorenana mikasika io, indrindra ny momba ny tsy fahafahana miasa tanteraka (empêchement définitif). Misarika ny sain’ny rehetra amin’ny fandraisana ny andraikitra tandrify azy avy mba anehoana ny tena fitiavan-tanindrazana moa ny «Confédération des Syndicats des Grand Corps de l’Etat Malagasy).

 

Nofy R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT