Politique

Governoran’ny faritra Mampandroso sy mampiombona tokoa ve ?


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Adihevitra mipetraka eo amin’ny tontolo politika amin’izao fotoana izao ny fikasana handrava ny Antenimierandoholona sy ny fanovana ireo lehiben’ny faritra ho governora.

 

 

Fanontaniana napetraka teo anivon’ny CFM manoloana izany ny hoe hiverina any amin’ny taona 1902, izany hoe andron’ny fanjanahantany ve izany isika ? Tsy hampananosarotra ny asan’ity komitin’ny fampihavanana ity ve izany satria toa mampahatsiahy ny politikan’ny zarazarao hanjakana ? Ny hany tsara faritana, hoy ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona, dia tokony hijery izay hampifandrindra ny lalàmpanorenana sy ny fampandrosoana ny fahefana mpanatanteraka tarihin’ny filoham-pirenena. Tsara raha mazava amin’ny vahoaka ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Sao dia hiverina tokoa ny ahiahy hoe ireny taranak’i Ragova sy ny tariny. Mila apetraka mialoha ny fampandrosoana sy fampiombonana. Tena hitondra amin’izay tokoa ve ny fikasan’ny filoha, hoy hatrany ny fanazavany. Betsaka ny lalàna tsy mifanaraka amin’izao vanin’andro izao intsony toy ny lalàn’ny fananan-tany, ohatra, ka tsy mahagaga raha mandika izany ny olom-pirenena, hoy hatrany ity mpahay fiarahamonina ity, ka ny zava-dehibe dia mametraka lalàna afaka mifandrindra amin’ny fampandrosoana sy fampiombonana marina ny Malagasy.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT