Politique

Governoran Analanjirofo Voatory ho naka 40 tapitrisa Ar tamin ny mpanao lalana


  • Talata 12 Aprily 2022

Notorian’ny Fikambanana Zanak’i Mananara-Nord na FIZEMA izay manana ny Foibeny ao Fenoarivo Atsinanana Faritra Analanjirofo ny Governoran’Analanjirofo Dr Marcellin Randriamanantena sy Rtoa Adine Tompon’andraikitra

 misahana ny tsenambaro-panjakana na PRMP. Anton’io ny fanomezana tsenambaro-panjakana fanamboarana làlana rarivato na “Pavé” ao Androkaroka Mananara Avaratra. Tsy faly noho ny ambaran’izy ireo fa fanalam-baraka an’Atoa Sylvain Tompon’ny orinasa voatondro fa nahazo ny asa noho ny fisamborana sy fanalam-baraka niseho ny 07 martsa 2022 tao Mananara Avaratra, izay nasiana rojovy na “menotte” ary naseho eraky ny tanàna nefa mba misy raha tsy mety nataon’ireo, hoy ny fanazavana anatin’ny fitoriana. Isan’ny votoatiny lehibe araka ny taratasy nalefa tany amin’ny Bianco ny 20 martsa 2020 ny resaka tsenambaro-panjakana voalaza fa tsy nanara-dalàna. Sady tsy nandalo antso tolo-bidy “Appel d'Offe” ny fanaovana “Pavé” no nisy fangalana vola tamin'ny “Entreprise” ka an’i Goverora Atoa Marcellin Randriamantena, ny 40 000 000 Ar ary an-dRtoa Aldine PRMP ny 10 000 000 Ar ; misy porofo izany”, hoy ny voaraikitry ny fitoriana. “Ny asa tsy vita satria sady tsy nandalo Directeur Developpement Region Atoa Victor Omega fa Governora sy PRMP no milalao ny asa rehetra ato amin'ny Faritra Analanjirofo, hoy hatrany ny voarakitry ny fitoriana. Nanamarika ao anatin’ny taratasy fitoriana ny mpitory, fa ny isan’ny porofo dia tsy vita ilay làlana rarivato ao Mananara Nord ao Androkaroka satria lanin’ny kolikoly ny vola tokony hanaovana asa. Managataka ny hanokafana famototrana lalina momba io tsy fahavitan'ny rarivato ao Mananara Avaratra io sy antony ny tsy hitokanana ny làlana vita ao Fenerive Est Sahavola ary ny fanamboarana ny tranony resto-doany, làlana makany amin’ny hopitaly ao Fenerive-Est Atsinanana ihany koa ny mpitory. Tsara ny manamarika, fa nomena tetibola iasana 2 miliara isan-taona ny governora, izay tsy olona voafidim-bahoaka sy tsy voafaritra ao anatin’ny lalàmpanorenana aza satria Lehiben’ny faritra no voasoratra any amin’ny andininy faha-154, ary fidiana amin’ny latsabato faobe. Ity Fanjakana Rajoelina ity kosa no nametraka avy hatrany araka izay saim-patany ny governora, ary io misy voatonona amin’ny raharaha hafahafa io. Andrasana moa izay mety ho setriny amin’ny ankilany sy ny fanapahan-kevitry ny Fanjakana, fa indrindra ny tohin’ny fanadihadian’ny Bianco.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT