Notanterahina omaly tao Ambohidahy ny fivorian'ny Governoram-paritra rehetra eto Madagasikara izay natrehin'ny Minisitra mpiahy dia ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana Atoa Tianarivelo Razafimahefa.
Natao izao fivoriana izao mba hifampizarana traikefa sy ny fahaiza-mitantana amin'ny fampandrosoana ny Faritra, hoy ny eo anivon’ny Faritra Analamanga. Taorian’ny tao Mahajanga sy tany Antsohihy izany dia tetsy Ambohidahy Antananarivo indray no nanaovana io fivoriana io. Voalaza fa atao isaky ny 45 andro, ary mitety faritra ny fivoriana. Isan’ny voaresaka ny fiara, « subvention »,… ary tafiditra ao anaty kajikajy ihany koa ny karazana fifanakena sy fanamby na “engagement politique” hiatrehana ny fifidianana 2023, raha re siosio. Efa misoko miadana mazava ho azy ny fametrahana ny tetikady sy teti-panorona hoenti-mampandresy ny filoha ankehitriny amin’ny fifidianana manaraka, ary hanana andraikitra lehibe amin’izany mazava ho azy ny governora, izay mbola olom-boatendry hatreto. Ny voalazan’ny lalàmpanorenana kosa dia fidiana ireo, ary tsy governora ihany koa no voasoratra fa Lehiben’ny Faritra, saingy eto Madagasikara moa rehefa ny mpitondra no miteny dia na mainty aza terena ho fotsy dia fotsy no anaran’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.