Politique

Governemantan’ny firaisam-pirenena Hisy ministra Karana sy Sinoa ?


  • Alarobia 08 Desambra 2010

Efa mibosesika eny amin’ny lapan’i Mahazoarivo tato anatin’ny herinandro izay ireo CV an’ireo maniry ny hotendrena ministra ao anatin’ilay governemantan’ny firaisam-pirenena, ary mbola nanamafy izany moa ny praiministra Camille Vital ny alatsinainy lasa teo teny Ambohidahy.

Nambarany fa efa maro no nahatonga ny taratasy milaza ny mombamomba azy ary efa eo am-pandinihana izany ny tompon’andraikitra amin’izao fotoana. CV ho an’ny ministra aloha fa tsy ho an’ny praiministra mihitsy no voaresaka hatreto. Miha mazava ihany ny resaka, araka izany, fa hajanona amin’ny toerany i Camille Vital fa dia ny ministra no tsy maintsy hisy hosoloina, ary azo antoka ihany koa izao fa hisy ministra vaovao maromaro, tsy ferana hatramin’ny Karana sy Sinoa zanatany, hiandraikitra ministera vaovao satria dia mety hitombo ny isan’ny ministera ao anatin’ity governemanta vaovao ity.

Fa etsy ankilan’izay rehetra izay dia efa mandeha ihany koa any ambadimbadika any ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra eo amin’ny olon’ny FAT sy ireo fikambanana sy antoko politika maro samihafa, ka anisan’izany ny avy ao amin’ny mpanohitra mikasika ny fandrafetana ilay governemantan’ny firaisam-pirenena, ary mazava ho azy fa tsy maintsy mandeha ihany koa ny ady varotra sy ny ady seza. Efa mandeha aza ny resaka fa misy, indray amin’ireo mpanao politika ao anatin’ny Ankolafy Telo nanaiky ny hiditra ao amin’izany governemanta izany. Mijanona ho siosion-dresaka aloha hatreto izany rehetra izany fa ho hita eo ihany ny tena marina. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT