Politique

Governemanta vaovao Henjakenjana ny ady varotra


  • Talata 13 Jolay 2021

Efa nandeha daholo ny tombana toy ny hoe ho governemanta politika no ho atsangana ao anatin’ny governemanta vaovao hipoitra eo.

 2 na 3 andro taorian’izay indray dia nivoy ny resaka ho governemanta hiady na “gouvernement de combat” toy izay nankalazaina tamin’ny andron’ny fitondrana teo aloha. Lasa voafehin’ny mpamakafaka raharaham-pirenena sasany ho lasa soso-kevitra toy ny hoe tokony ho governemanta tekiniko-politika moa izany farany teo. Samy miandry ny rehetra ankehitriny ary velom-panontaniana ny mpanara-baovao hoe rahoviana ihany ity governemanta tsy mety masaka ity? Niely ihany koa tao anatin’izay ny anarana mety ho apetraka eo amin’ny toeran’ny praiminisitra ankehitriny, izay raha ny fanombanan’ireo mpanaraka izany hatramin’ny omaly aloha dia hoe mety ho esorina amin’ny toerany ihany koa ny praiminisitra Ntsay Christian ary hisy minisitra miisa 9 ho tsofin-drano miaraka aminy. Heno ankehitriny fa mandeha ny ady varotra, toy ny efa nahazatra hatramin’izay, mikasika ny toerana tokony omena ny herivelona misy rehetra ao anatin’izany governemanta vaovao izany na avy amin’ny mpanohana ny fitondrana na avy amin’ny mpanohitra na avy amina hery politika hafa. Mety hiampy ve izany ny isan’ireo minisitera? Hifanasaka ve ny isan’ny hery politika ho tafiditra ao anaty governemanta na koa hoe hifandanja? Manoloana izany rehetra izany aloha dia hita ho mihazoazo hatreto ny raharaham-pirenena ary efa saika mitodika any amin’ny 2023 avokoa ny ankamaroan’ireo jery politika rehetra. Ny zoma 16 jolay ho avy izao no re fa hivoahan’ny anaran’ireo mpikambana ao amin’ity hoe governemanta vaovao ity raha ny tsiliantsofina re.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT