Misy ny fanakianana teo, ary rariny tokoa, marika fa manara-maso ny fiainam-pirenena ny vahoaka Malagasy satria nisy fotoana efa tsy niraharaha intsony ny raharaha politika.
Manamafy izany fa miaina ao anatin’ny demokrasia,. Isaorana ny olona rehetra te hanadihady satria tsy te hanana ny ratsy ny vahoaka Malagasy, ary manamafy izany rehetra izany fa filamatra izao amin’ny fisian’ny tambajotran-tserasera izao. Nanamafy Atoa Ntsay Christia fa ny Filoha dia nanao fanadihadiana ireo Minisitra. Ny fepetra izay noraisina, hoy izy, dia nijerena ny tombotsoan’ny Malagasy iray manontolo, fa tsy misy zanak’ikalahafa. Nilaza ny Praiminisitra fa manana ny fahaiza-manaony, manana fitiavan-tanindrazana, ary tia ny fahamarinana ihany koa ireo. Tsy misy zanak’Ikalahafa, fa samy Malagasy ka tokony hametraka ny soatoavina. Manana fahendrena ny Filoha, ka ny zavatra rehetra izay atao dia tsy nijerena antoko antoko, fihaviana, fa nojerena hoe ireto Malagasy manana adidy sy andraikitra amin’ny fampandrosoana. Avelao ireo minisitra rehetra hiasa, dia hotsaraiaa amin’ny asany, fa tsy hoe mbola tsy miasa dia efa atao ny fanakiviana azy ireo, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Tsiahivina, fa minisitra manodidina ny am-polony no tratry ny ampamoaka tamin’ny endriny maro. Ny fahitana azy, dia ny samy ao anaty Fanjakana ihany no mifamely, raha tarafina tamin’ny teny minisitra iray fa tsy hahita dosie na zavatra hamelezana azy, fa hitsikitsikiany fotsiny.
Toky R
Sa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.