Politique

Governemanta Tsy sahy nanala an’i Tinoka sy Lalatiana ny Filoha


  • Alakamisy 17 Martsa 2022

Samy niandry izay ho endrika vaovaon’ny governemanta fahaefatra amin’izao fitondrana Rajoelina izao ny Malagasy.

Tsy dia nisy fiovana firy satria ny 5 no olom-baovao, ary iray amin’ireo aza efa minisitra tamin’ny tetezamita naverina hisahana ny andraikitra notazoniny tamin’izany, dia Atoa Ranjatoelina Rolland. Ny tonta ihany no navadibadika amin’ny ankampobeny, ka misy ny tsy namokatra tany amin’ny toerana hafa, dia alefa any amin’ny andraikitra hafa indray, fa tsy sahy hesorina. Saika ireo minisitra tsy dia atahorana loatra amin’ny ara-politika no nalana, raha toa ka tsy sahy nokitihina ireo mety atahorana na mety tsy mahomby na koa manaratsy endrika ny fitondrana aza. Minisitra 9 no niova ka nisy ny efa niala nialohan’ny fotoana tahaka an’i Brice Randrianasolo, Imbiki Herilaza, Hajo Andrianainarivelo. Voahongotra i Patrick Rajoelina, izay efa nampoizina ihany noho ny toetra amam-pihetsika toy ny teny ratsy variraraka nisy nanao ampamoaka, ny tsy fahafehezana ny teny Malagasy, ny tsy fahombiazan’ny diplaomasia,… Nilaza ho gaga ary nametra-panontaniana hoe: “fa maninona?” taorian’ny fanesorana. Tratry ny rivodoza politika ka nangoron’entana i Baomiavotse Vahinala Raharinirina minisitry ny tontolo iainana, ary nanara-dia azy ihany koa minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala Rtoa Haingosoa Hortencia Antoinesie. Izy mirahavavy ireo izay niady ary tonga teny an-databatry ny facebook. Samy nesorina tamin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny fanatanjahantena Hawel Mamod’Ali, izay depiote notendrena ho minisitra, heverina fa azo nifandaminana sy miverina fotsiny amin’ny maha parlemanta azy. Foana kosa ny toeran’ny minisitra lefitra misahana ny tanora niandraketan-dRtoa Juliana Ratovoson izay natsikafon’ny olon’ny MAPAR ny naha HVM azy, ary mbola tratry ny tsikera tamin’ny karazana doka ara-pivavahana. Tsy tafaverina amin’ny toerany ihany koa ny Minisitry ny rano Ladislas Adrien Rakotondrazaka,… Saika tsy dia manana tanjaka ara-politika firy ireo nesorina amin’ny ankampobeny.
VOATAZONA I TINOKA, TSY VOAKITIKA I LALATIANA,…
Any amin’ny tsy mivonto no manaintaina araka ny fitenin’ny tanora ny endriky ny fanovana satria ireo tsy dia atahorana ara-politika no natao sorona. Raha noheverina fa hoesorina ireo minisitra niteraka resabe sasany tahaka an’i Tinoka Roberto, dia tsy izay no nitranga, fa naverina ho minisitry ny tanora. Matoa nesorina tamin’ny fanatanjahantena dia tsy nahomby, saingy tsy nisy tao anatin’ny 60 taona izany hoe: nesorina dia haverina eo afaka 7 volana. Ambony ny tsindry momba ny fivoizana resaka fihaviana, mba tsy hanalana ity minisitra ity. Niray feo ireo olom-boafidy avy amin’ny faritanin’i Toliara niaro an’i Tinoka Roberto. Novoizina fa ity minisitra ity no angady nananana sy vy nahitana ny isam-bato ambonin’i Andry Rajoelina tamin’ny 2018, ka tsy sahy nesorina na tsy mahomby sy nanala baraka ny fitondrana aza ny resabe mikasika azy tamin’ilay valizy misy kodiarana. Nanahirana ny fitondrana hatramin’izay ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ary na ireo olon’ny TGV-MAPAR aza misy tofoka aminy, saingy malaza ho isan’ny atahorana hamoaka dosie ka tsy voahozongozona ao anaty governemanta.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT