Nomena fe-potoana hatramin'ny tapaky ny volana Janoary 2021 ireo Minisitra
tsirairay mpikambana eo anivon’ny governemanta hanolorana ny "plan de l'émergence " raha toa ka ny faran'ity no voafaritra tany am-boalohany, hoy ny vaovao mivoaka. Voalaza fa misy tsy mahafa-po ny Filoha ny taratasy nalefan'izy ireo ho amin'izany. Mety hisy araka izany ny fanovana ny mpikambana ao anaty Governemanta, izay ho feno herintaona ny 27 janoary 2021 izao. Raha ny nambara tany am-panendrena ireo mpikamban’ny governemanta dia nambara fa mipetraka foana ny “contrat-programme” ary hisy hatrany ny tombana ho an’ny minisitra tsirariary. Raha raisina amin’io, dia nisy ny fifanarahana sy ny programa mazava hotanterahana. Manana ny tetibolany manokana hoenti-miasa rahateo ny Ministera tsirairay. Asa noho ny coronavirus, dia toa adinodino angamba ny resaka tombana, ary mivadika ho toy ny vao hanao zava-baovao indray amin’ity resaka “Plan de l’Émergence”. Zary lasa fialana bala ho an’ny Fitondrana ankehitriny ny fandalovan’ny covid-19, ary kofona tanteraka raha tsy nisy ny tohana ara-bola avy any ivelany na nambara aza fa tsy mila an’ireny i Madagasikara, fa mampahantra firenena. Raha ny IEM no naderadera tany am-boalohany, fa programan’asa efa vonona amin’ny lafiny rehetra na ara-teknika, na ara-bola, ny mpiara-miombon’antoka,… Ny fahatongavana amin’ny toerana no ela raha ny nambara tamin’izany. Nandeha avy eo ny programa hoenti-miasa dia lasa ny PGE (Programme Général de l’Etat) fa tsy dia noresahina firy izany IEM izany. Niova ho PEM (Programme pour l’Emergence de Madagascar), izay vao handresen-dahatra sy hiantsoana ny mpamatsy vola, ary vao ny 23 desambra lasa teo no nanao tatitra tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra, fa mandalina an’io PEM io ny Fitondrana. Raha vao tohana sy fanampiana ara-bola avy amin’ny mpiara-miombon’antoka mahazatra izany, dia misy dingana sy fotoana lava, izay 6 volana farafahakeliny ny famoaham-bola, raha tsy amin’ny resaka fahamehana toy ny lafiny maha olona sy loza voajanahary. Vola mitsitapitapy no mety ho azo, raha hisy. Hatreto aloha tsy mbola re hoe firy miliara dolara no azo, am-polony miliara dolara mantsy ny drafim-pampandrosoana firenena iray izany fa tsy resaka hoe 50 na 100 tapitrisa dolara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.