Nesorina tamin’ny toerany izany iny ny minisitry ny fanabeazana Rijasoa Andriamanana Josoa noho ilay afera “bonbon sucette” mitentina 8,4 miliara ariary.
Heverina fa olona maro no mety ho voasaringotra amina afera tahaka ireny. Misy antanan-tohatra maro amin’ny fikirakirana volam-panjakana, raha tena efa nohetsehina sy nampiasaina tokoa. Minisitera maromaro no mety ho voakasik’iny. Olona maro izany no mety ho voapaingotra amin’ny toe-javatra tahaka itony. Iny aloha ny minisitra voasaringotra, fa tena mandeha amin’ny fahintsiana avokoa ve ireo departemanta hafa eo anivon’ny governemanta? Ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena irery ve no mety nanao afera sa iny ihany aloha no tratra sy napoaka mba hampitonintoniana ny maripana ankehitriny na natao “fusible”? Efa nisy minisitra tao anatin’io governemanta io nohitrikitrihana olom-boafidy iray mpanohana ny fanjakana ho manao aferan-tany amin’ny sinoa sy ny karana. Vao tsy ela no nisy minisitra nokihanina solombavambahoaka iray mombana afera fitrandrahana volamena any Mananjary. Tompon’andraikitra feno ianao raha miseho ny korontana amin’ireo sinoa harovanao ireo, hoy ilay olom-boafidy,… Raha raisina amin’ireny ampahan-javatra ireny, dia tsy olona iray ihany no manao ny ataony, fa tena maromaro no be afera sy be bizina ao mba tsy hilazana fa ny ankamaroany. Iray aloha no lasibatra, fa mety misy ny tsy azo kitikitihina satria mahalala afera maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.