Politique

Governemanta sy depiote Nahemotra ny “face à face”


  • Alarobia 30 Jona 2021

Tsy raikitra tamin’ny ora farany ny fifanatrehan’ny avy eo anivon’ny governemanta sy ny depiote izay tokony notontosaina anio teny amin’ny CCI Ivato.

 Antony, raha ny fanazavan’ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, dia noho ny fisian’ny filankevitry ny minisitra efa tapaka fa tanterahana isaky ny alarobia. Rahampitso alakamisy indray, noho izany, raha toa ka tsy misy intsony ny fiovana, no fotoana ifanomezan’ny governemanta sy depiote amin’ity “face à face” manaraka ity. Heverina fa ho maro ny lahadinika tokony hifanatrehan’ny roa tonta manoloana ny fizotry ny fiainam-pirenena ankehitriny saingy ny andrasan’ny maro, indrindra, ireo mpanara-baovao aloha dia ny mikasika ny fitantanana ny tetibolam-panjakana ho an’ity taom-piasana ity. Isany mampametra-panontaniana ihany ny hoe tsy efa tokony omanina ela ve ny fisian’izany fifanatrehana eo amin’ny fahefana mpanao lalana sy mpanatanteraka izany? Zava-dehibe noho ny fifanatrehana amin’ny solombavambahoaka, izay heverina ho solontenam-bahoaka, ve ny fifanatrehan’ny samy fahefana mpanatanteraka, indrindra, ao anatin’izao toe-draharaha ilana ny filan’ny eny ifotony izao ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT