Mety hiova ny firafitry ny governemanta afaka iray volana, fotoana
hahafenoan’ny 6 volana in-droa rahateo ahafahana mitsara ireo mpikambana tsirairay ao anatin’ny governemanta. Nisy rahateo ny fifanarahan’andraikitra sy asa na « contrat-programme » napetraky ny Filoham-pirenena na tsy fantatra mazava aza ny asa voafaritra fa hotratrarina, fa ny voambolana aloha dia tena namono lolo. Somary lasa ala bala ny fisian’ny valanaretina coronavirus, ka nisy fotoana aza lasa mpizara arotava sy mpanao fanisana olona no asan’ny minisitra sasany. Marina fa teo ny valanaretina, fa matoa aloha miiba hatrany amin’ny -4,2% ny harin-karena faobe araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, dia tsy nahomby izany ny governemanta. Ny 27 janoary 2020 no niova ny governemanta ka nomena vahana kokoa ny teknisianina. Teo aloha misy minisitra tsy dia re feo firy, fa izao aloha samy miezaka maneho sary fa miasa. Ankehitriny, maromaro ny minisitra ratsiratsy laza ho tsy mahavita ny asany satria eo ny iraka ara-teknika fa eo ihany koa ny iraka politika. Na izany aza efa mandeha ny resaka fa tsy maintsy misy ny ahilika ao ka asa na iza avy no mety handao ny toerana? Ny adivarotra sy ny tsindry rahateo manomboka mahazo vahana satria misy mpanao politika mahatsapa ho nanohana sy nametraka ny fitondrana no nahatsiaro ho voahilika. Ny fahefana mpanatanteraka rahateo rehefa atao in-dray mijery, dia tsy nahavaha ny olan’ny firenena ny governemanta teknisianina.
MISY TEZITRA ?
Mahatsiaro ho voahilika, ohatra, ireo solombavambahoaka izay niainga tany amin’ny tolon’ny depiote 73, izay nanana toerana tao anatiny, saingy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto sisa no ao, ary na depiote aza Rtoa Bavy Angelica dia efa tato aoriana. Efa nisy fotoana nahazo vahana ny fivoizana fa tokony homena toerana ao anatin’ny governemanta ny depiote isan’ny nametraka io fitondrana io, ary isan’ny naneho izany ny Filohana andrim-panjakana iray. Na ara-politika, na ara-teknika, dia tsy nahatafavoaka baolina ny governemanta. Azo heverina ny hiovan’ny mpikamban’ny governemanta, ary mety misy ny karazana sarintsarina fisokafana hatao eo anatrehan’ny fiakaran’ny maripana politika. Mety hanamarika ny volana janoary 2020 izany ny tsotsorimamba isarahana ao anaty governemanta, hampangatsiahana ny toe-draharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.