Ny 11 febroary 2022 no nanome ny taratasy fametram-pialany ny minisitry ny fitsarana Imbiki Herilaza , araka ny didim-panjakana 2022-227;
izay izany no antony efa tsy nanatrehany intsony ny filankevitry ny governemanta ny ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alakamisy lasa teo, araka ny efa notaterina teto ihany.Tsy nahatohitra ny fanakianana nahazo azy ity minisitra ity, ary mazava be izao fa tsy naharesy lahatra ny lehibeny dia ny praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika ihany koa izy tamin’izay mety fanazavana efa nataony.Efa nekena ny fametram-pialany araka ny fanambaran’ny fiadidiana ny repoblika ka ny minisitry ny asa, fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Rtoa Ranampy Gisèle no mpisolo toerana vonjimaika azy mandra-panendry izay ho minisitry ny fitsarana vaovao.
HANDEHA VE NY FANADIHADIANA ?
Mipetraka ny fanontaniana : inona ary no ho tohiny ? Raha nisy marina ny ahiahina kolikoly na fanaparam-pahefana ny ny mitovitovy amin’izany , mby aiza ho aiza ny fanadihadiana.Efa eo ny rafitra toa ny Bianco, PAC ary ny fitsarana ambony afaka manadihady sy mitsara fa moa ve ho tanteraka izany sa mmangiana ho azy eny to any raharaha “bonbon sucette” tao amin’ny ministeran’ny fanabeazana sy ny resaka “écran plat” nahavoatonotonona ny minisitry ny atitany taloha.Efa tamin’ny taona 2020 mantsy ireny raharaha ireny saingy febroary 2022 ihany izao fa tsy hita izay hoe fandrosoan’ny fanadihadiana na dia efa mazava be aza ny porofo ara-taratasy sy ara-materialy.Na inona na inona ambara sy resahana anefa dia tsy maintsy misy foana ny mpiara-miasa, na mpiray tsikombakomba rehefa misy raharaha hafahafa.Izay no maha zava-dehibe ny tsy maintsy hanaovana fanadihadiana lalina fa tsy hoe Imbiki Herilaza no nosoketaina dia ahilika any amina daholo nny rihitra sy ny ratsy rehetra. Manao randra-tarihina ihany koa anefa ity raharaha ity satria manomboka mipitika any amin’ny Minisitry ny fitaterana Tinoka Roberto na « Toto » ny rihitra, misy manonona ny anarany amina raharaha tsy dia mazava loatra; ary misy resaka volabe koa ilay izy. Ary na ireo olona akaiky ny fitondrana aza diia manomboka misy efa milaza fa manampahefana maro no mety ho sahirana raha tena atao ny fanadihadiana amina sehatra maro misy eto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.