Politique

Governemanta Mitsingilahila ireo Ministra “13 mey”


  • Zoma 26 Novambra 2010


Nandritra ny fitsidihany teny Anosiala Ambohidratrimo omaly no nanambaran’ny filohan’ny FAT, Andry Nirina Rajoelina, fa hisy ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta aorian’ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nanamafy ny siosion-dresaka nivoaka tetsy sy teroa izany ny filohan’ny FAT fa dia tsy maintsy hisy ireo ministra hisaorana ato ho ato ary hiova endrika indray ny Governemanta. Ka raha ny didy aman-dalàna no arahina dia ato anatin’ny tapabolana eo ho eo izany no hitranga ity fanovana governemanta ity, satria ao anatin’io vanim-potoana io no tsy maintsy hamoaka amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianaa ny HCC.

Raha ny zava-misy rehetra hatramin’izay no zohiana dia endrika governemantan’ny fampihavanam-pirenena, araka ny fahitan’ny FAT azy no hijoro eto ka ahitana ny olon’ireo antoko maro samihafa nandray anjara tamin’ny fihaonambem-pirenena sy ilay fifanarahana politika ny 13 aogositra 2010. Azo antoka fa hitovitovy endrika amin’ny CST sy ny CT amin’izao fotoana ny governemanta vaovao, izay araka ny siosion-dresaka dia ahitana ministera 30. Efa hatry ny ela ihany koa no nandeha ny tombantombana ny amin’ny hoe iza no hailika ary iza no tafajanona ? Ny azo antoka aloha hatreto, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany dia mijanona ho Praiministra i Camille Vital. Mijanona amin’ny toerany ao amin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fanapariaham-pahefana koa i Hajo Andrianainarivelo.

Araka ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika ihany dia lohalisitra amin’ireo mety ho very seza ny ministry ny filaminana anatiny Organès Rakotomihantarizaka, eo ihany koa ny ministry ny fitsarana Christine Razanamahasoa, voatonontonona fa mety ho very seza ihany koa ny ministry ny fampianarana Julien Razafimanazato sy ny ministry ny fampianarana ambaratonga ambony Tongavelo Athanase. Raha dinihana io tombantombana io dia hosoloina avokoa ny ankamaroan’ireo ministra niara-nitolona tamin’i Andry Rajoelina teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ireo nanana olana maharitra, toy ny grevy, tamin’ny departemanta niandraiketany. Fantatra ihany koa fa hisy mpikambana ao amin’ny Parlemanta ankehitriny mety tafiditra ao amin’io governemanta vaovao io.

 
Nangonin’i RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT