Tokony haneho ny firaisankiana amin` ny fiarovana ny ezaka sy ny fanamby apetrakin` ny
fitondram-panjakana ny mpikambana eo anivon` ny governemanta raha ny tatitra nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Manome herinandro 5 ho an’ ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny Filoham-pirenena hahafahan` izy ireo maneho ny fahavonony amin`ny fanatanterahana ny fandaharanasa sy ny programanasam-pampandrosoana voarafitra ao anatin` ny fifanarahan` ny telo tonta (minisitra, praiminisitra ary ny Filoham-pirenena). Tsikaritra anefa tato ho ato fa misy minisitra sasantsasany mialokaloka ao anatina hevitra hafa izay tsy maneho izay firaisankiana hiaraka hifanohana amin` ny Filoha Rajoelina izay. Nanambara moa ny mpitondra tenin` ny governemanta, Lalatiana Andritongarivo, fa ankoatra ny maha teknisianina ny minisitra dia tokony manana izay fahavononana ara-politika izay tokoa ny mpikambana rehetra amin` ny fanatratrarana izay tanjona ho an` ny fampandrosoana izay. “Tokony manana ilay satroka mpanao politika ireo minisitra mba tsy ny Filohan` ny Repoblika, ny praiministra, ny minisitry ny serasera ihany no hiaro ny fitondram-panjakana amin` ny zava-bita na ny ezaka ataon` ny fitondram-panjakana. Izy ireo ihany koa dia tokony mamaly ireo tsikera ara-politika”, hoy ny minisitry ny serasera. Takian` ny vahoaka Malagasy ny ezaka sy fanamby napetrakin` ireo minisitra ka izay no anton` ny tsy maintsy hanehoana izay firaisankiana izay.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.