Politique

Governemanta miovaova Tsy misy fitoniana, tsy misy fampandrosoana


  • Alatsinainy 21 Febroary 2022

Samy miandry izay ho fanapahan-kevitra ara-politika mikasika ny governemanta ny mpanara-baovao ara-politika. Amin’ity herinandro ity, ny alarobia 23 febroary izao no hisy ny fanovana mpikambana ao anatin’ny governemanta,

 raha ny loharanom-baovao azo, saingy andrasana na hizotra amin’izay tokoa na tsia. Raha raisina amin’io, dia tsy hisy izany ny fitsipaham-pitokisana avy amin’ny antenimieram-pirenena na “motion de censure”. Mariky ny tsy fisiana fitoniana sy fahamatorana ny fanovaovana olona matetika, ary matetika noho ny resaka krizy noho antony, raha tarafina amin’ny nisy hatrizay, tao anatin’izao Fanjakana Rajoelina izao. Rehefa tsy misy fitoniana dia sarotra ny asa fampandrosoana. Fa nahoana no tsy misy fitoniana? Satria tsy tena nahazo ny fankatoavana vahoaka ilay fitondrana, izao no vokatry ny fifidianana hosoka sy hala-bato, tsy mitoetra ny fahamarinan-toerana satria tsy tena voatsodranom-bahoaka. Raha ho avy ny fanovana, ankoatra ireo minisitra dia mampametra-panontaniana hoe: ho voatazona amin’ny toerany ve ny Praiminisitra. Ity farany izay Lehiben’ny fahefana mpanatanteraka aorian’ny Filoha ary Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Feno ny fepetra ahafaha-manala azy raha tarafina amin’ny vokatra sy ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Na ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana, ireo avy amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny mpanatanteraka izany hoe: ny solombavambahoaka izay afaka manao ny fitsipaham-pitokisana, dia mahita fa tsy mahomby ny governemanta. Hatramin’ireo olom-boafidy tamin’ny anaran’ny vondron’antoko mpiara-dia amin’ny fitondrana no mimenomenona. Ambony ny tsindry politika tsy hitazonana intsony an’Atoa Ntsay Christian. Efa samy mitaintaina ny any amin’ny Minisitera tsirairay. Tampoka teo misy minisitra manao hetsika manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fanaovana “Tagnamaro”, misy minisitra voatonontona tamin’ny raharaha nahasaringotra ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha re siosio fa mety hoesorina,… Mety handao ny toerany ihany koa ireo Minisitra na minisitra lefitra nahabe resaka. Andrasana izay mety hiseho amin’ity herinandro ity. Handray fanapahan-kevitra ve ny Filoha sa mbola hilalao an’ilay hoe : tsy manapa-kevitra ao anatin’ny tsindry ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT