Politique

Governemanta miova matetika Porofon’ny tsy fahaiza-mitantana


  • Alakamisy 20 Aogositra 2020

Nandrasana omaly ny fanovana mpikamban’ny governemanta, araka ny voalazan’ny fampahalalam-baovao iray, saingy mbola tsy tanteraka aloha izany.

 

 

 

Tsy mbola voatendry ihany koa ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena vaovao. Ny loharanom-baovao any avy any an-dapa kosa no nahenoana, fa toa somary sosotra sy sorena ny Filoham-pirenena, indrindra fa taorian’ny fipoahan-javatra manaratsy endrika sy nampisavoritaka fanjakana tato ho ato. Sahiran-tsaina ihany koa ny Filoham-pirenena. Efa sarotsarotra ihany koa ny fiaraha-miasa ao anaty governemanta, raha tsy hilaza afatsy ny Minisitry ny fahasalamana efa nanaovana tambabe, ny minisitry ny serasera izay toa tratry ny kihana samihafa izay ambaran’ny mpandinika fa tsy voafehy,… Sahirana sy tsy mahomby ny fanjakana ary ny fanoloana na famindrana toerana minisitra isaky ny mihetsika dia midika krizy sy tsy fahaiza-mitantana. Tsapa ihany koa ankehitriny fa maro ireo mpikamban’ny governemanta toa tsy re feo, ka isan’ireny ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny minisitry ny fanabeazana mpisolo toerana toa tsy miloa-bava kanefa ny fanadinam-panjakana afaka 10 andro, ny minisitry ny vola moa efa sahiran-dava satria tsy mora ny manao ny kajy, ny fanaovana karamam-panjakana izany koa mbola resaka hafa, ny tsindry avy amin'ny mpamatsy vola mbola mafy be, ny Minisitry ny atitany iny niaraha-nahalala iny ny resabe momba azy, ny minisitry ny mponina moa efa io tsy dia hita firy hatry ny ela io; ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena indray toa lasa niorim-ponenana any Atsimo fa any no ahitana azy amin’ny fampalalam-baovao matetika.Izay mihitsy ve ilay fandaminanan’asa , sa efa samy maka ho azy ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT